Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Sakato tsy mahasoa

Daty
Alahady 19 October 2025

"Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany." - 1 Kôr. 10:13.

Mofon ‘aina :
Na eo koa aza ireo hafatra rehetra torintsika amin'ny maha-vahoaka antsika, dia mihinana be loatra isika. Ny fanaranam-po amin’ny fitiavan-kanina no antony lehibe indrindra mahatonga fikorotanan-tsaina ary fototry ny fahalemilemena izay toa hita hatraiza hatraiza.

Ny tsy fahalalana onony dia manomboka eo amin’ny latabatra fisakafoantsika, izay ihinanantsika sakafo tsy mahasalama. (…) Reraka ny taova fandevonan-kanina ary tsy mahafa-po intsony ny sakafo hohanina.

Miorim-paka ny fahazarana tsy mahasalama , ary manjary mitady sakafo manaitaitra ilay olona. Ny dite vazaha, ny kafé sy ny hena dia manaitaitra avy hatrany. Noho ny fiasan’ireo poizina dia taitaitra ny rafitry ny retsika, ary, indaindray, ao amin'iny fotoana iny dia toa matanjaka ny saina ary toa mavitribitrika ny fahafahan'ny saina mandalina. Satria miteraka vokatra mahafinaritra toy izany ireo sakafo manaitaitra dia heverin’ny maro fa tena ilainy tokoa izy ireny ka dia ampiasainy hatrany.

Kanefa misy mandrakariva ny voka-dratsy aterak’izany. Ny rafi-pitatitra, noho izy notaitairina tsy araka ny tokony ho izy, dia mampiasa ankehitriny ny hery izay tokony hampiasainy amin’ny ho avy. Izany fampahatanjahana mandalo vetivety izany dia arahina fahaketrahana. Tahaka ny nampahatanjahan'ny zavatra manaitaitra vetivety ny vatana teo no hanaketrahany ny herin'ireo taova rehefa afaka ny fiasan'ilay zavatra manaitaitra. Manjary mitady zavatra matanjatanjaka kokoa izay mampitombo hatrany hatrany ny fanaitairana mahafinaritra ny vatana, ambara-pahatonga ny fanaranam-po ho tonga fahazarana. (...)

Ny tanjona lehibe nokendren'i Kristy tamin'ny fifadian-kanina naharitra tany an’efitra dia ny hampianatra fahalalana onony. Izany ezaka izany dia tokony hanomboka eo amin’ny latabatra fisakafoanantsika ary tokony hotanterahina amin'ny fomba hentitra amin'ny lafim-piainantsika rehetra.

Nidina avy any an-danitra llay Mpanavotra izao tontolo mba hanampy antsika noho ny fahalementsika, ka noho ny hery izay nentin'i Jesôsy ho antsika, dia afaka ny hatanjaka isika mba hifehy ny filana sy ny fironan-dratsy, ary hahazo fandresena amin'ny lafiny rehetra. — TFC b. 3, tt. 487,488.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal