Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Torohevitra mahasalama

Daty
Alarobia 22 October 2025

"Ary hoy ny rafozan’i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao." - Eks. 18:17,18.

Mofon’aina:
Rehefa manao izay azontsika  rehetra isika mba hahasalama antsika dia afakamanampo  vokatra   voatahy, ary afaka mangataka  am-pinoana amin'Andriamanitra mba  hitahiany ny fiezahantsika hitandro ny fahasalamantsika. Hovaliany ny vavaka ataontsika raha manome voninahitra ny Anarany. Kanefa tokony ho takatry ny tsirairay fa misy asa ankinina aminy.

Andriamanitra dia tsy hanao fahagagana hiarovana ny fahasalaman'ny olona izay manana fitondrantena azo antoka fa hitondra azy ho amin'ny tsi-fahasalamana. — CDF 26.

Ny fampiharana amin'ny tenantsika antsakany sy andavany ny lalàn' Andriamanitra dia hitondra fahasalamana. (...) — CDF, 20. (...)

Atsaharo ny fanaranam-po amin'ny filan-dratsy, mihinàna sakafo tsotra, aoka ho ara-pahasalamana ny fomba fitafy; izany dia mitaky fahatsorana ombam-panetren-tena. Aoka ho ara-pahasalamana ny fomba fiasa, dia tsy ho tratry ny aretina ianareo (..) Maro ireo mizaka ny voka-dratsin'ny fandikan-dalàna nataon'ny ray aman-dreniny. (...). Na izany aza dia adidin'izy ireo ny (...) tsy hamerina ny fandikana ny lalan'ny fahasalamana ni  sy ny fahazaran-dratsin'ireo ray aman-dreniny, fa hanana fahazarana tsara kosa, mifanaraka amin’izay ilain’ny  fahasalamana. HR, Aogôsitra 1866
 
Rehefa miasa amim-pirindrana ny hery rehetra amin'ny vatana, dia mitondra fahasambarana. Arakaraka ny mampadio sy maha-ambony ny hery ananana no ahatsapana fahasambarana madio sy tsy miharoharo zavatra. (...) Ny saina dia tokony hifantoka amina lohahevitra  mifandraika amin'izay zavatra mitondra voka-tsoa mandrakizay ho antsika. (...) — RH, 29 Jolay 1884.

Andriamanitra dia nanao fanekena hihazona ny fahasalaman'ny olona izay hihazona ny fahasalaman'ny olona izay vonona hankatò ny lalàny sy hiara-miasa Aminy. - CDF, 17.

Nanankinan'Andriamanitra hafatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana ny vahoakany. Nitsilo ny dian'izy ireo nandritra ny taona maro izany fahazavana izany; ary tsy azon' Andriamanitra atao ny hanohana ny mpanompony hizotra amin'ny lalana izay mifanohitra amin'izany. (...) Izay mitady hanao tsinontsinona io fahazavana nomen'Andriamanitra momba fanavaozana ara-pahasalamana io dia tsy maintsy hiharam-pahavoazana; ary tsy misy olombelona afaka hahomby amin'ny asan'Andriamanitra kanefa mifanohitra amin'ny fahazavana nomen'Andriamanitra ny fampianarany sy ny ohatra asehony. - CDF, 38

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal