Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miantraika amin'ny saina ny sakafo

Daty
Alatsinainy 27 October 2025

"Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana." - Jer. 33:6.

Mofon’aina:
Fony aho vao nandray ny hafatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana dia narefo aho sady nalemy, matetika aho no tratry tsi-fahatsiarovan-tena. Nitalaho fanampiana tamin’ Andriamanitra aho dia novelariny teo anatrehako ny lohahevitra lehibe momba ny fanavaozana ara-pahasalamana.

Nampianariny ahy fa ireo izay mitandrina ny didiny dia tsy maintsy tarihina hanana fifandraisana masina Aminy, ary amin'ny alalan'ny fahalalana onony amin'ny fomba fihinana sy fisotro dia tsy maintsy kolokoloin’izy ireo

Tsy manoritra fitsipika manokana natao harahina izahay ny aminny fomba fisakafo; kanefa ambaranay fa ao amin'ireo firenena izay ahitana betsaka voankazo, voamaina sy voa, dia tsy sakafo sahaza ho an'ny vahoakan‘ Andriamanitra ny  hena. Nampianarina ahy fa ny hena dia mitarika ny olona hanana toetram-biby, manaisotra ao amin'ny olona ny fitiavana sy ny fitsinjovana izay tokony ho tsapany ho an'ny hafa, ary mahatonga ny filana ambany ho zary  mifehy ny hery ambony ananan'ny tena.

Nahasalama ny fihinanan-kena fahiny, saingy tsy azo antoka intsony izany ankehitriny. Anisan'ny antony lehibe mahatonga homamiadana sy aretin'ny havokavoka, ny fihinanan-kena.

Tsy tokony hatao ho fisedrana ny fahatokiana ao am-piangonana ny fihinanana na tsy fihinanan-kena, kanefa tokony hosaintsainintsika ny hery miasa mangina miantraika amin'ny hafa avy amin'ireo mpino milaza ho mihinan-kena.

Amin'ny maha-mpitondra hafatr' Andriamanitra antsika, moa va tsy hanambara amin'ny olona isika hoe "na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr' Andriamanitra izany rehetra izany" - 1 Kôr.10:31?

Moa ve tsy hitory am-pahasahiana isika ny amin'ny maha-ratsy ny fanaranam-po amin'ny filana mivaona? Ny mpiasan’ny filazantsara, izay mitory ilay hafatra miezinezina indrindra nomena ny taranak'olombetona mety maty, ve no hitaona ny olona hiverina amin'ny fitiavan-kenan'i Egypta? (…)

Tokony horaisina ho zava-dehibe ny fahasalaman"ny vatana, tahaka ny maha-zava-dehibe ny fitomboana amin'ny fahasoavana sy ny fananana toetra mirindra. (...) Mifampiankina ny vavony sy ny fitatitry ny atidoha. Ny fahadisoana eo amin'ny fomba fihinana sy fisotro dia mitarika fahadisoana eo amin'ny fomba fisainana sy fanao. — RH, 3 Marsa 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal