Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikolokolo ny herim-batana sy saina

Daty
Alarobia 29 October 2025

"Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? Ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo." - 1 Kôr. 6:19.
Mofon’aina:
Harena Iehibe ny fahasalamana. lo no fananana sarobidy indrindra ananan’ny olombelona mety maty. Katsahin'ny olona fatratra ny fananana materialy, ny voninahitra sy ny fahalalana, na dia hamoizany ny fahasalamany aza izany. Tsy misy amin'izy ireny anefa afaka hiantoka fahasambarana raha tsy eo ny fahasalamana. Fahotana lehibe ny fanimbazimbana ny fahasalamana izay nomen Andriamanitra antsika. Ny fanimbazimbana rehetra atao amin'ny fahasalamana dia mandemy antsika sy hananantsika fatiantoka na dia mahazo fahalalana be aza isika. (...)

Noho ny antony maro, ny fahantrana dia fitahiana; satria izany dia miaro ny tanora sy ny ankizy tsy hidonana-poana. (...) Ny zavatra voalohany izay tokony hokatsahin'ny ray aman-dreny mandrakariva dia ny hananan’ny zanany vatana tomady, mba ho lehilahy sy vehivavy matanjaka izy ireo any aoriana. Tsy ho tratra na oviana na oviana izany tanjona izany raha tsy misy fampiasam-batana atao.

Mahatsara ny ankizy, ara-batana sy ara-moraly, ny hampianarana azy hiasa, na dia tsy ho fitadiavam-bola aza izany. Mba hananan’ izy ireo toetra madio sy mendrika dia tsy maintsy ataony ho fitsipi-piainany ny asa vatana voarindra izay hampatanjaka ny hozatra rehetra amin'ny tenany. (...)

Tsy misakana ny hikolokoloana ny ara-tsaina ny asa ara-batana. Tsy izany mihitsy. Ny tombontsoa avy amin’ny asa ara-batana dia hampifandanja ny maha-olona ary hiaro ny saina tsy ho reraka loatra. Hiampita any amin'ny hozatra ny harerahana ka hanamaivana ny atidoha. (…)

Ilaina ny manana vatana tomady mba hananana saina tomady. Ny vatana tomady sy ny fanaovana tsara ireo andraikitra ao an-tokantrano dia tsy misakana velively ny fivelarana ara-tsaina; samy tena ilaina avokoa ireo ho an'ny vehivavy.

Tokony hampiasaina sy kolokoloina ny herin'ny saina manontolo mba hananan'ny lehilahy sy vehivavy saina mirindra tsara. Maro eto amin'izao tontolo izao ireo lehilahy sy vehivavy manana fisainana mitanila; izany dia vokatry ny ikolokoloany ny ampahany fotsiny amin'ny fahaiza-manaony fa ny ampahany hafa kosa navelany ho simba noho ny fidonanaham-poana. - TFC b. 3, tt. 150-153.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal