Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fiainan'i Kristy: bokin-desona ho antsika

Daty
Zoma 21 November 2025

"Tsara ny hidera an Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra o, ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina. "- Sal. 92:1,2.

Mofon’aina:
Ny fivavahana kristianina iainana dia midika ho fiaraha-miasa amin' Andriamanitra isan'andro, fiasana ho an'i Kristy, tsy indraindray fa tsy ankiato. Ny fanaovana tsirambina ny fanehoana fahamarinana iainana eo amin'ny fiainantsika dia fandavana ny finoantsika sy ny herin'Andriamanitra. Mitady. olona nohamas in ina Andriamanitra, olona voatokana ho amin'ny fanompoana Azy, olona izay hihaino sy hanaiky ny fanasana hoe: "Ento ny ziogako, ka mianara amiko".

Tamim-pahamatorana manao ahoana re no nanatanterahan'i Kristy ny asa famonjena antsika e! Fanoloran-tena manao ahoana no nasehon'ny fiainany rehefa niezaka Izy ny hanome tombambidy ny olombelona lavo, tamin'ny fanolorany ho an'ny mpanota mina sy mibebaka ny fahamendrehan'ny fahamarinany tsy misy pentina! Niasa tsy nety sasatra Izy. (...) Teny rehetra teny no nitoriany ny filazantsara sy nanasitranany ny marary. Nomeny avokoa izay Azy rehetra, mba hahafahany manatantetaka ny drafi-panavotana.

 Tsy voatery hanao io sorona lehibe io i Kristy. Nianiana tamin'ny nahim-pony anefa Izy fa hizaka ny famaizana tokony ho an'ny mpandika ny lalany. 

Ny fitiavany irery ihany no nanery Azy, ary tsy nimonomonona Izy raha niaritra ny hirifiry tsirairay sy nandray ny fanalam-baraka tsirairay izay ampahany amin'ny drafi-pamonjena. (...)

 Manoloana ny fiainan'i Kristy feno fisasarana sy fanompoana, moa ye ireo mitonona ho Kristianina hisalasala (...) ny hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka Azy? Nanetry tena tany amin'ny lalina ambany indrindra Izy, mba hasandratra any amin'ny fara tampon'ny fahadiovana sy ny fahamasinana ary ny fahatanterahana isika. Tonga mahantra lzy, mba hahafahany mandrotsaka ao amin'ny fanahintsika trotraky ny fahantrana ny fahafenoan'ny hareny. Niaritra ny hazo fijalian'ny fahafaham-baraka Izy mba hahafahany manolotra fiadanana sy fitsaharana ary fifaliana ho antsika (...)

Tsy tokony hankasitraka ny tom bontsoa amin'ny fiasana ho Azy ye isika, ka ho dodona haneho fandavan-tena sy fanoforan-tena ho Azy? Tsy tokony haverintsika amin'Andriamanitra ye izay rehetra navotany, ny fitiavana izay nodioviny, ary ny tena izay novidiny, mba ho voahazona ao amin'ny fanamasinana sy ny fahamasinana? — RH, 4 Avrily 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal