ILAY TENA JOSOA, ILAY TENA IZY
Tsy maintsy dinihina amin'ny maha tandindona azy ny tantaran'i Josoa. Tena zava-nitranga teo amin'ny tantara ireo ady notarihin'i Josoa, ary mandrafitra ny ampahany manan-danja amin'ny tantaran'ny Isiraely. Ny hahatonga ny Isiraelita hanorim-ponenana ao amin'ny Tany Nampanantenaina no tanjon'ireo ady ireo, mba hahafahan'izy ireo misitraka ny lova natokana ho azy amim-piadanana sy manangana fiarahamonina vaovao miorina amin'ny foto-kevitry ny lalàn'Andriamanitra.
Taty aoriana, ireo mpanoratra ny TT, toa an'i Isaia, dia naneho ny asan'ny Mesia ho toy izao: "hanangana ny tany indray sy hampandova [ny vahoakany] ny lova izay efa rava [Izy]" - Isa. 49:8; ary ampiasainy amin'izany ny fiteny izay miverina matetika ao amin'ny bokin'i Josoa. Tahaka ny asa nataon'i Josoa tamin'ny fizarana ny tany ho an'ny Isiraelita, dia toy izany koa ny Mesia, Izay aseho ho Josoa vaovao; Izy no manome lova ara-panahy ho an'ny Isiraely vaovao.
Vakio ny Heb. 3:7--4:11. Ahoana no hanamafisan'ny TV fa i Josoa, ilay Mosesy vaovao, dia tandindona maneho an'i Jesôsy Kristy mihitsy?
Maneho lafiny maro amin'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy Kristy ireo mpanoratra ny TV, izay mifanaraka amin'ny asa nataon'i Josoa. Tahaka ny nidiran'i Josoa tao amin'ny tany Kanana taorian'ny 40 taona tany an'efitra, dia toy izany koa Ilay "Josoa tena izy", dia i Jesôsy : nanomboka ny asa fanompoany teto an-tany Izy taorian'ny 40 andro nakana fanahy azy tany an'efitra (Mat. 4:1-11; Lio. 4:1-13) ary nanomboka ny asa fanompoany tany an-danitra rehefa afaka 40 andro teto amin'ity efitry ny tany misy antsika ity (Asa. 1:3, 9-11; Heb. 1:2).
Taorian'ny batisan'i Jesôsy tao amin'ny Ony Jordana (ny "niampitany ny Jordana" [Mat. 3:13-17, Mar. 1:9-11]), dia naka teny avy ao amin'ny Sal. 2:7 sy ny Isa. 42:1 ireo mpanoratra ny filazantsara, salamo momba ny Mesia sy hira momba Ilay Mpanompon'i Jehovah mijaly (Mat. 3:17; Mar. 1:11; Lio. 3:22). Noho izany, tamin'ny batisany, dia aseho ho Ilay Andriamanitra mpiady mahery i Jesôsy - Izay hiady ny adin'i Yahweh amin'ny herin'ny ratsy amin'ny alalan ny fiainany feno fanetren-tena izay hanekeny hatramin'ny fahafatesana aza. Ny fiainany sy ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana no nahatonga an'i Satana ho voaroaka, nitarika ny fandresena ireo fahavalontsika ara-panahy, nanolotra fitsaharana ara-panahy ho an'ny vahoakany, ary nanome lova ho an'ny voavotra (Efes. 4:8; Heb. 1:4; Heb. 9:15).
Inona no hevitr'izany hoe manana "fitsaharana" isika ao amin'izay nataon'i Kristy ho antsika? Izany hoe, ahoana no hananantsika toky fa efa nandresy an'i Satana ho antsika i Jesôsy ?