Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny olona ankasitrahan'Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 02 March 2026

"Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko." - Isa. 66:2d.

Mofon’aina:     
Manao fahadisoana mampalahelo ireo izay mitady laza sy voninahitra eto amin'izao tontolo izao. Izay manda ny tenany sy manome lanja ny hafa no hipetraka eo akaikin'i Kristy eo amin'ny seza fiandrianany. Ilay mamaky ny ao am-po no mahalala ny tena fahamendrehan'ny mpianatra feno fanetren-tena sy fahafoizan-tena, ary satria mendrika izy ireo dia hapetrak'i Kristy eo amin'ny toerana manan-kaja, na dia tsy mahatsiaro ho mendrika sy tsy mitady voninahitra aza. (…) 

Tsy misy vidiny amin' Andriamanitra ny fisehosehoana ivelany. Maro amin'ireo mihevi-tena ho ambony noho ny hafa no hahita indray andro any fa ny fo mangoraka sy ny fahafoizan-tena ananan'ny olona no anombanan'Andriamanitra azy. (…) Ambony lavitra dia lavitra eo imason'Andriamanitra ireo izay manaraka ny ohatra nasehon' I lay nandehandeha nanao soa, nanampy sy nitahy ny mpiara-belona Taminy ary niezaka nampitraka azy ireo hatrany, raha miolotra amin'ireo tia tena sy manandra-tena.

Tsy noho ny fahaiza-manao ananan' ny olona no aneken' Andriamanitra azy, fa noho izy mikatsaka ny tavany sy ny fanampiany. Tsy mba tahaka ny fijerin'olona ny fijerin'Andriamanitra. Tsy mitsara ny miseho ivelany lzy fa mandinika ny fo, ary marina ny fitsarany. Hoy Izy: "Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko." Mandray sy miombona amin'ireo mpianany tsotra sy manetry tena Izy satria mahita ao amin'izy ireo fitaovana sarobidy indrindra, izay (...) hahazaka fitsapana mahamay sy tsindry.

Izao no tokony ho tanjontsika eo am-piasana ho an'ny Tompo: ny hanome voninahitra ny anaran'Andriamanitra ao amin'ny fiovam-pon'ny mpanota. Tsy ankasitrahan'Andriamanitra kosa ireo izay miasa mba hahazo dera. (...)

Hiombom-pifaliana amin'ny Mpamonjy ny mpanompo manetry tena, izay tsy mitoky amin'ny fahaizany lehibe, fa miasa amim-pahatsorana sy matoky an'Andriamanitra mandrakariva. Hitondra fanahy maro ho eo am-pototry ny hazo fijaliana ny faharetany mivavaka. (...)

Hazo nambolen'ny Tompo ireo mpiasa ireo. Hamoa voa toy ny an'ny Apôstôly izy ireo. Lehibe ny valim-pitia miandry azy ireo any amin'ilay fiainana ho avy: - RH, 4 Jolay 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal