Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Taratasy alefa any an-danitra

Daty
Alakamisy 05 March 2026

 "Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin 'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin 'izay andro mahory" Heb. 4:16.

Mofon’aina:
Tsy asa fanavotana noho ny fahotana tsy akory ny vavaka.   Tsy asa fanonerana izany. Tsy tokony hanatona an'Andriamanitra toy ny mpanota voaheloka ho faty isika, satria efa naloan'i Kristy ny sazin'ny fandikan-dalana nataontsika. Efa nanan fanavotana ho antsika Izy. Efa nodioviny tamin'ny rany ny fahotantsika. Ny fangatahantsika dia toy ny taratasy alefa avy et' an-tany ho any amin'ny Raintsika any an-danitra. Azo antoka fa ho tonga any Aminy ny vavaka asandratra amin'ny fo marina sy manetry tena. Hainy ny mamantatra ny fahatsoram-pon' ny zanaky natsangany. Mangoraka antsika ao anatin'ny fahalementsika izy ary manatanjaka antsika ao anatin' ny fahosantsika. Hoy lzy: "Mangataha, dia homena hianareo." 

Olona maro no tsy mahafantatra izay tokony hangatahiny sy tsy mahay mangataka araka ny tokony ho izy. Kanefa malemy fanahy sy be fitiavana Andriamanitra. Ampiany izy ireo noho ny tsy fahatanterahany ka ataony eo am-bavany ny teny. (...) I Kristy no mpanalalana antsika. Ankasitrahan'ny Ray ny vavaka rehetra atao eo amin'ny lovia volamenan'ny fahamendrehan' ny Mpamonjy.

Antsika avokoa ny teny fikasana tsirairay ao amin'ny Tenin' Andriamanitra. Asehoy ao amin'ny vavakao ny fampanantenana efa nomen'i Jehovah, ary takio amim-pinoana ny teny fikasany. Manome toky antsika ny teniny fa raha mangataka amim-pinoana isika, dia ho azontsika ny fitahiam-panahy rehetra. Mangataha hatrany, dia handray mihoatra noho izay nangatahinao sy noeritreretinao ianao. Beazo ny tenanao hatoky tsy misy fetra an'Andriamanitra. Apetraho Aminy ny fanahianao rehetra. Andraso amim-paharetana Izy fa hiditra an-tsehatra ho anao. 

Mila manatona an'Andriamanitra isika, tsy amin'ny toe-tsaina manama-rin-tena, fa amin-panetren-tena, sady mibebaka amin'ny fahotan-tsika. Manana ny haren'ny lanitra Izy hanomezana izay ilaintsika. Masina Andriamanitra, ary isika tsy maintsy mivavaka, "rnanandra-tànana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana." - I Tim 2:8. (...)

Mila mikatsaka ny fanjakan' Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha isika (Mat. 6:33). Aoka isika ho vonona handray ireo fitahiana izay arotsak'Andriamanitra amin' izay mitady Azy amin'ny fo manontolo, amim-pahatsoram-po sy fahamarinana. - ST, 18 Nôvambra 1903. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal