Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitiavana, antony manosika antsika

Daty
Sabotsy 15 August 2026

"Fa ny fitiavan Kristy no manery anay."- 2 KOr. 5:14

Mofon’aina:
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin 'ireo."- 1 Kor. 13:13.

Teo amin'ny fiainan'i Kristy no nisehoan'izany fitiavana izany tamin'ny fomba lavorary. Tiany isika na dia tao anatin'ny fahotantsika sy ny fahalementsika aza. Nidina hatrany amin'ny fahoriana lalina indrindra Izy mba hanandratana ireo zanakalahy sy zanakavavin'ny tany izay mania. Tsy nety ritra ny faharetany na nihena ny hafanam-pony. Ny onjan'ny famindram-po, na dia nolavin'ny fo miavonavona sy tsy mibebaka ary tsy mankasitraka aza, dia niverina hatrany tamin'ny herin'ny fitiavana lehibe kokoa.

{...) Tsy tokony ho mangatsiaka na tsy rototra isika, indrindra manoloana ny mahantra. Tokony hanehoantsika fanajana sy fitiavana ary fangorahana ny olona rehetra. Tsy sitrak'Andriamanitra ny fitongilanantsika ho amin'izay manan-karena. Atao tsinontsinona i Jesosy rehefa atao tsinontsinona ireo zanany mahantra. Tsy manana ny haren'ny tany izy ireny, saingy sarobidy ho an'ny Fony be fitiavana. (...) Amin'ny andron'ny fitsarana farany ny laharam-boninahitra sy ny saranga na ny harena dia tsy hanova na inona na inona amin'ny anjara miandry ny olona iray. Hitsara ny olona rehetra araka ny fahadiovany sy ny fahambonian-toetrany ary ny fitiavany an'i Kristy Ilay Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra.

Nambaran'i Kristy fa tokony hotorina amin'ny mahantra ny filazantsara. Tsy misy fomba maha-te ho tia indrindra anehoana ny faha-marinan ' Andriamanitra mihoatra noho ny fitoriana izany amin'ireo mahantra sy fadiranovana. Amin' izany no amirapiratan'ny fahazavan'ny filazantsara ka hanazavany ny tranobongon'ny tantsaha sy ny tranokelin'ny mpiasa. Eo ny anjelin' Andriamanitra, ary ny fanatrehan'izy ireo no mahatonga ny sombi-mofo sy ny rano iray kaopy ho hanim-py. Ireo izay nataon'izao tontolo izao tsinontsinona sy nihatahany dia atsangana ho zanakalahy sy zanakavavin'ny Avo Indrindra. Asandratra any amin'ny toerana ambony noho izay azon'izao tontolo izao omena izy ireo, mipetraka any amin'ny fitoeran'ny lanitra ao amin'i Kristy Jesosy. Mety tsy ananany ny haren'ny tany, saingy hitany kosa ilay vatosoa sarobidy indrindra.- RH, 21 Jolay 1910. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal