Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy toerana ho an'ny fahakiviana

Daty
Zoma 28 August 2026

 "Ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin 'ny mazava, sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany."- KM. 1:12, 13

Mofon’aina:
Fndrey ny hakanton'izany teny izany! Raha miezaka mandanja Jizany ianao, dia hahita fa lalina sy mafonja tokoa ny hevitra fonosiny. Isika izao dia volavolaina mba ho vonona honina any amin'ireo fonenana nandehanan'i Kristy mba hanomanany izany ho an'izay tia Azy.

"Nahafaka antsika tamin'ny fahefan 'ny maizina. " Raha marina izany, inona ary ny fialan-tsiny ananantsika amin'ny firesahana momba ny fahakiviana sy ny tsy finoana (...), ka manangona ny haizina hanodidina antsika toy ny akanjo tafiana? (...) 

Arakaraka ny iresahana momba ny finoana no hampitombo ny finoana. Arakaraka ny ifantohana amin'ny fahakiviana, ka iresahanao amin'ny hafa ny fahorianao sy hampitomboanao izany mba hahazoanao fangorahana, no hitomboan'ny fahakiviana sy ny fitsapana. Nahoana ianao no mitomany noho ny amin'izay tsy azonao idifiana? (…)

Miomana ho amin'ny fisondrotan-toerana isika, avy amin'ny sekolin'ity tany ity izay mamolavola ny toetrantsika, ho amin'ny fiainana ho avy izay tsy misy fahafatesana, dia ny sekolin'ny lanitra, izay toeram-pianarana ambony kokoa noho ny eto. Tsy natao hiankina amin'ny hery voafetra anefa ny olona, mba handreseny ny zava-tsarotra. Amim-pinoana no tokony hijereny an'Andriamanitra, aoka izy Nino fa azony ampiasaina mba hahazoany fandresena ny fanomezana rehetra avy amin'ny lanitra. Anjelin'ny lanitra an'arivony maro sy an'alinalina no miasa ho an'ireo izay handova famonjena.

Manasa antsika Andriamanitra mba hanakatona ny varavarana mitodika amin'ny tany ary hanokatra ireo izay mifanandrify amin'ny lanitra, mba handrotsahany mivatravatra ao am-pontsika ny voninahitra izay mamirapiratra avy eo an-tokonan'ny lanitra.- Ms, 102, 1901. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal