"Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Ireo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry. Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany sady tsy manan-tsiny izy." - Apôk. 14:4,5.
Mofon’aina:
Manana vahoaka eto an-tany y Tompo, izay manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. Manana olona an'arivony maro izay tsy nandohalika tamin' i Bala Izy. Ireo no hijoro miaraka Aminy eo an-tendrombohitra Ziona. Nefa tsy maintsy mijoro eto amin'ity tany ity izy ireo, mitafy ny fiadiana rehetra, vonona hirotsaka ho amin'ny asa famonjena ireo izay an-dalam-pahaverezana. (...)
Tsy mila miandry ny hakarina ho any an-danitra isika vao hanaraka an' i Kristy. Afaka manao izany dieny eto an-tany ny vahoakan'Andriamanitra. Tsy hanaraka ny Zanak'ondrin'Andriamanitra any amin'ny lapan'ny lanitra isika raha tsy manaraka Azy dieny eto. (...) Tsy rehefa metimety amintsika na misy tombontsoa ho antsika vao hanaraka an' i Kristy isika. Mila misafidy ny hanaraka Azy isika, hanaraka ny ohatra asehony eo amin'ny fiainana andavanandro, tahaka ny andian'ondry manaraka amim-pitokiana ny mpiandry azy. Natao hanaraka Azy isika amin'ny fiaretana fahoriana noho ny Aminy, ka hanao isaky ny indray mandingana hoe: «Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena azy ihany aho.» - Jôba 13:15. — RH, 12 Avrily 1898.
Tsy ao anatin'ny tontolo anjakan'ny fitomoeram-poana isika; nofy izany tontolo izany. Miaramilan'i Kristy isika, nanolo-tena hiasa ho fanehoana ny fahatokiantsika an'Ilay nanavotra antsika. Hita taratra eo amin'ny toetra sy ny fanompoana masina ataontsika ankehitriny izay ho toetrantsika rahatrizay any amin'ilay fonenana any an-danitra, rehefa ho voavonjy mandrakizay isika. Moa ve tsy tokony haneho fahatokiana isika amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra et S, an-tany, eto amin'ity toerana izahan-toetra antsika ity? (...)
Miezaka manahaka an'i Kristy amin'ny fahatokiany ve isika? Raha manazatra ny tenantsika isika hiteny hoe: «Aoka ho Modely ho ahy Ianao», raha Mpamonjy velona no ahitantsika Azy amin'ny mason'ny finoana, dia hahazo hery hanaraka Azy isika. Ary hiaraka amin'ireo tsy voaloto isika, hanaraka Azy any amin'ilay fiainana ho avy. — RH, 22 Avril)/ 1898.