Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANKATOAVANA : VOKATRY NY FINOANA

Daty
Alakamisy 02 May 2024

Vakio ny Rôm. 3:27-31; Rôm. 6:15-18; sy ny Rôm. 8:1,2. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny famonjena amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy irery ihany?

Rivo-baovao no nitsoka tao amin'ny fiangonana kristianina tamin'ny andron'i Lotera. Olona an'alina no nianatra nampiala ny fijeriny amin'ny "izaho" mpanota ka nametraka izany teo amin'i Jesôsy. Tsy isalasalana fa raha nijery ny tenany sy ny toetrany ireo olona ireo, dia tsy nahita afa-tsy zavatra nahakivy azy. Iza amin'ny mpino amin'izao fotoana izao no tsy efa niaina fanandramana toy izany? Izany no antony tokony hijerentsika an'i Jesôsy fa tsy ny tenantsika. Manova antsika ny fahasoavan'Andriamanitra. Nanatrika fivoriana tany Morave, any Londres, i John Wesley indray andro. Talanjona i Wesley raha nandre ny fampidirana nataon'i Lotera ny amin'ny epistily ho an'ny Rômanina. Voalohany teo amin'ny fiainany izao no nanombohany nahatakatra ny Filazantsara. Nisy zavatra voahetsika tao anatiny ary tsapany toa voasarika ho eo amin'io Kristy izay nanolotra ny fiainany ho azy io izy. lzao no nambarany: "Tsapako ho natoky tanteraka fa ao amin'i Kristy irery ihany ny famonjena, ary azoko antoka fa nanaisotra ny fahotako Izy, eny, na dia ny fahotako aza, ary namonjy ahy tamin'ny lalan'ny ota sy ny fahafatesana." - John Whitehead, The Life of the Rev. John Wesley, M.A. (London: Stephen Couchman, 1793), t. 331.

Vakio ny 1 Pet. 2:2, 2 Pet. 3:18, Kol. 1:10, sy ny Etes. 4:18-24. Inona ireo fahamarinana iankinan'aina ambaran'ireo andininy ireo ny amin'ny fiainana kristianina?

Nandinika ny Teny hatrany ireo mpanavao fivavahana mba hahafantarany bebe kokoa ny fahamarinana. Tsy nionona fotsiny tamin'ny zavatra efa hainy izy ireo, na afa-po tamin'ny fanandramana ara-pivavahana mafonja kanefa zara raha misy fivoarana, fa nangetaheta hatrany ny hahalala an'i Kristy bebe kokoa. Tamin'ny vanim-potoana Antenantenany dia Kristianina maro mino ny Baiboly no nandoa ny vidiny lafo indrindra noho ny fanoloran-tenany. Nampijalina, nampidirina an-tranomaizina, natao sesitany ary novonoina izy ireo. Nesorina taminy ny fananany, nodorana ny tranony, norobaina ny taniny ary nenjehina ny ankohonany. Rehefa noroahina tamin'ny tranony izy ireo dia nitady tanana izay "Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany' - Heb. 11:10. Rehefa nampijaliana izy ireo dia nisaotra ireo mpampijaly azy ary rehefa naiditra tao amin'ny fonja maizina sy feno hamandoana izy ireo dia nitaky ny teny fikasan'Andriamanitra mampanantena hoavy mamiratra kokoa. Na nampidirina am-ponja aza ny tenany, dia olona afaka kosa izy ireo — afaka ao amin'i Kristy, afaka ao amin'ireo fahamarinan'ny Teniny, afaka ao amin'ny fanantenana ny fiaviany tsy ho ela.

Rehefa mijery ny tenanao ianao, inona ny fanantenam-pamonjena anananao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal