Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanorenana azo antoka 

Daty
Talata 04 June 2024

"Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan 'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra." - 1 Kôr. 3:11-13. 

Mofon'aina:
Tahaka ny afo mampiseho sy manavaka ny volamena, ny volafotsy, ny vato tsara, ny hazo, ny bozaka, ary ny mololo, dia toy izany koa ny andro fitsarana izay hisedra ny toetran'ny olona, ka ho hita miavaka ny toetra voatefy tahaka ny an'i Kristy sy ny toetra voavolavolan'ny fo feno fitiavan-tena. (...) Ho levona izay rehetra tsy misy vidiny, fa ny tena volamena kosa, dia ny finoana tsotra sy manetry tena, dia (...) tsy ho levona mandrakizay; tsy mba mety lo mantsy izany.

 Na iza na iza dia mety ho tonga araka izay tiany hahatongavana. Tsy azo amin'ny alalan'ny fanabeazana, na amin'ny fanangonan-karena, na fahazoana voninahitra araka izao tontolo izao, ny toetra maha-izy ny olona iray. (...) Mba hamolavolana toetra tsara ankasitrahan'Andriamanitra dia ilaina ny ezaka feno faharetana. Mila manohitra mandrakariva ny herin'ny maizina isika raha irintsika ny hitehirizana ny anarantsika ao amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy tsara lavitra ve ny hanana ny anarantsika ao amin'izany boky izany mba hiarahantsika monina amin'ny anjelin'ny lanitra mandrakizay, toy izay ny hoderaina eto amin'ity tany ity? 

Mandritra ny androm-pahasoavana omena antsika eto dia samy manorina toetra hotsarain'Ilay Mpitsara ny tany rehetra isika. (...) Ny asa tsirairay ataontsika eo amin'ny fiainana dia toy ny vato arafitra ho trano iray, ny fahaiza-manao tsirairay no mpandrafitra azy, ny kapoka tsirairay amin'izany dia na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. Mampitandrina antsika ny Soratra Masina mba handinika tsara raha azo antoka ny fanorenantsika. Raha eo ambonin'ny vatolampy isika no manorina, eo amin'ny asa madio sy mendrika ary marina, dia ho kanto sy tsara rafitra ny tranontsika, ho tempoly azon'ny Fanahy Masina onenana. - HP, t. 47.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal