Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I Daniela, ambasadaoron'Andriamanitra

Daty
Talata 23 July 2024

"Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy" - Dan. 6:5. 

Mofon’aina:
I Daniela, ilay praiminisitra teo amin'ny fanjakana lehibe indrindra teto an-tany, dia mpaminanin'Andriamanitra ihany koa, sady nahazo ny fahazavan'ny tolo-tsaina avy any an-danitra. Olona manana firehetam-po tahaka antsika ihany izy, kanefa mamaritra azy ho olona tsy manan-tsiny ny penina notarihin'ny tsindrimandry. Rehefa nodinihan'ireo fahavalony akaiky ny fitantanany ny raharahany, dia hitany fa tsy nisy hanatsiniana azy izany. Mety ho tonga toa azy koa rehefa mety ho mpandraharaha rehetra rehefa voaova sy voamasina ny fony ary marina eo anatrehan'Andriamanitra ny antony manosika azy. (...)

Tsy azo nohozongozonina tamin'ny fahatokiany tamin'Andriamanitra i Daniela, ary tsy goragora tamin'ny fifehezany tena. Tamin'ny alalan'ny fahamendrehana ambony nananany sy ny fahatokiany tsy azo nohozongozonina, na dia vao zatovo ihany aza izy, no nahitany "fitia sy famindram-po" tamin'ilay tandapa jentilisa nikarakara azy. (...) Vetivety foana dia tonga teo amin'ny toeran'ny praiminisitra teo amin'ny fanjakan'i Babilôna izy. Nandritra ny fotoana rehetra nifandimbiasan'ireo mpanjaka, sy naharavan'ny firenena, ary nitsanganan'ny fanjakana iray vaovao teo amin'izao tontolo izao, dia nampiseho fahendrena fatratra sy fahaizana tsara ny asany teo amin'ny fitondram-panjaka izy (...).

Nomen'ny olona voninahitra i Daniela tamin'ny nampiandraiketana azy ny fanjakana sy ny tsiambaratelon'ireo fanjakana nifehy izao rehetra izao. Nomen'Andriamanitra voninahitra koa izy amin'ny maha-ambasadaorony azy, ka nomeny fanambarana maro momba ny zava-miafin'ireo taona ho avy. Ireo faminaniana mahatalanjona nosoratany ao amin'ny toko faha-7 sy 12 amin'ilay boky mitondra ny anarany, dia tsy nazava tanteraka na dia taminy amin'ny maha-mpaminany azy aza; kanefa mialoha ny nifaranan'ny asany teo amin'ny fiainany dia nomena toky mahafinaritra izy fa "amin'ny andro farany" amin'ny fotoana famaranana ny tantaran'ity izao tontolo izao ity — dia havela hitsangana ho ao amin'ny anjarany indray izy. (...)

Koa dia azo atao ny hivelona toa an'i Daniela sy ny namany ho amin'izay marina sy mendrika ary maharitra. Ary raha mianatra ireo fitsipiky ny fanjakan'ilay Tompo sy Mpamonjy antsika isika eto amin'ity fiainana ity, dia ho voaomana amin'ny fiaviany ka hiditra miaraka Aminy ho ao amin'ny fifaliany. — CC, t. 254. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal