Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

February 2025

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Fampidirana.

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 13:24-27; Gen. 1:31; Ezek. 28:12-19; Isa. 14:12-15; Mat. 4:1-11; Jao. 8:44,45.

Tsianjery:

"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." Gen. 3:15.

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.

Vakio ny "Amintsika Andriamanitra", toko voalohany ao amin'ny IFM.

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Efa naharesy izao tontolo izao Kristy.

Raha nitranga araka ny "idealy sitrapon'Andriamanitra" ny zavatra rehetra dia tsy ho nisy ny faharatsiana fa fahasambaran'ny fitiavana sy ny firindrana tonga lafatra no ho teo amin'ny toerany. Indray andro any dia haverina ho amin'izany sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra izany izao tontolo rehetra ary izao. Mandra-pahatonga izany fotoana izany dia manatanteraka ny sitrapony Andriamanitra amin'ny fomba izay tsy manao tsinontsinona ny fanapahan-kevitra raisin'ny voariny amin- kalalahana.

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Ny sitrapon’Andriamanitra idealy sy ho fanarenana.

Vakio ny Efes. 1:9-11. Inona no ambaran’ireo andalan-teny ireo momba ny famaritana mialoha ny anjaran'ny olona? Moa ve efa nofendrena ho voavonjy ny olona sasany ary ho very ny hata?

Ny teny grika nadika hoe "fanendrena" eto sy any amin'ny andalan-teny hafa (prohorizo) dia tsy mampianatra tsy akory fa mamaritra ny tantara amin'ny fomba iray manokana Andriamanitra. Ny hevitr'io teny grika lo dia hoe "manapa-kevitra mialoha".

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Tia an’Andriamanitra.

Ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra dia tsy midika tsy akory fa afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny fahendrena sy ny lôjika Izy. Araka izany, tsy azony atao ny manao izay hitiavan'ny olona iray Azy amin-kalalahana. Ny fanaovan-javatra iray amin-kalalahana mantsy dia midika ho fanaovana izany tsy misy faneriteren'ny hafa, koa tsy mitombina izany ny fibaikoana ny olona iray hanao zavatra amin-kalalahana.

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - " Pantokrator "

Hita manerana ny Soratra Masina ny herin'Andriamanitra mahatalanjona. Milaza tantara maro be momba ny fampiasany ny Heriny sy ny fanaovany fahagagana ny Baiboly. Na eo aza izany dia toe-javatra maro no mitranga nefa tsy tian'Andriamanitra hitranga.

Vakio ny Apôk. 11:17: Jer. 32:17-20; Lio. 1:37 ary ny Mat. 19:26. Diniho koa ny Heb. 1:3. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny herin Andriamanitra?

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Ilay Andriamanitsika mahefa ny zavatra rehetra

"Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra", hoy ilay pasitora tanora nampianatra ireo mpianany tao amin'ny kôlejy. "Midika izany fa mifehy ny zavatra izay mitranga Izy. Izao no navalin'ny mpianatra anankiray sahiran-tsaina: "Nifehy ny toe-javatra izany Andriamanitra tamin'ny fotoana nahafatesan'ny alikako? Nahoana Andriamanitra no mamono ny alikako?"

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro:

Lio. 13:34; Jer. 32:17-20; Heb. 1:3; Deo. 6:4,5; Efes. 1:9-11; Jao. 16:33.

Tsianjery: "Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao." - Jao. 16:33

Fanamasinana mifandrindra amin'ny fankatoavana.

"Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara hianareo, ary tsy hiharo amin 'izay ratsy." - Rôm. 16:19.

Valisoa eo no ho eo sy mandrakizay.

"Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin 'ny handrinareo." - Deo. 11:18.

Mofon’aina:
Tokony ho voasokitra ao amin'ny fanahy tsirairay tahaka ny  nosoratana tamin'ny penina vy ireo teny ireo (Deo. 11:13-28 sy ny Deo. 7:6-11). Mitondra ny valisoany ny fankatoavana, ary ny tsy fankatoavana kosa mitondra ny famaliany.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal