Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 05 January 2024

Vakio “Ny tempoly sy ny fitokonana azy", toko faha-2 ao amin'ny Mpaminany sy Mpanjaka, EGW; “Ny tombontsoa avy amin'ny mozika", Hafatra ho an'ny tanora, EGW, tt. 150-151.

Ahitana Salamo miisa 150, izay voasokajy ho boky dimy, ny bokin’ny Salamo: Boky I (Sal. 1-41), Boky II (Sal. 42-72), Boky III (Sal. 73-89), Boky IV (Sal. 90-106) ary ny Boky V (Sal. 107-150). Ny fizaran’ny bokin’ny Salamo ho dimy dia fomba amam-panao jiosy tany aloha izay mifanindran-dalana amin’ny fizarana ny bokin’ny Pentatioka ho dimy.

Maneho porofon’ny fitambarana Salamo izay efa nisy tany aloha ny bokin’ny Salamo: ny Salamon’ny Koraita (Sal. 42-49, 84, 85, 87, 88), ny Salamon’i Asafa (Sal. 73-83), ny fihirana fiakarana (Sal. 120-134), ary ny Salamo Haleloia (Sal. 111-118; 146-150). Ny Sal. 72:20 no maneho ny fitambaran’ny Salamo vitsivitsy nosoratan’i Davida.

Raha ampifandraisina amin’ny fotoana nanjakan’i Davida sy ny fanjakatokana voalohany (taonjato fahafolo TIK) ny ankamaroan’ny Salamo, ny fitambarana Salamo kosa dia mitohy tao amin’ny taonjato taty aoriana: ny fanjakatokana nizarazara, ny fahababoana ary fotoana taorian’ny fahababoana. Azo heverina fa natambatr’ireo mpanora-dalàna hebreo teo ambany fitarihan’i Ezra ho boky iray ireo fitambarana Salamo vitsivitsy rehefa nanao izay hametrahana ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly vaovao izy ireo.

Tsy manaisotra ny maha-tsindrimandry avy amin’Andriamanitra ny bokin’ny Salamo ny nanambàran’ny mpanora-dalàna izany ho boky iray. Ireo mpanora-dalàna, tahaka ireo mpanao Salamo, dia mpanompon’Andriamanitra feno fanoloran-tena; ary Andriamanitra no nitari-dalana azy ireo tamin’ny asany (Ezra 7:6,10). Azo ampitovina amin’ny toetra maha-Andriamanitra sy olombelona tao amin’i Jesôsy tonga nofo ny maha avy amin’Andriamanitra sy nosoratan’olombelona ny Salamo. “Ny Baiboly kosa, izay misy ireo fahamarinana avy amin’Andriamanitra voalaza amin’ny fitenin’olombelona, dia mampiseho firaisan’ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombeiona. Ny firaisana toy izany dia hita ao amin’ny toetran’i Kristy Izay sady Zanak’Andriamanitra no Zanak’olona. Tanteraka amin’ny Baiboly, tahaka ny nahatanteraka izany tao amin’i Kristy ny hoe: ‘Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.'” – HM, 1.10.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Vavaka sy hira avy amin'Andriamanitra sy ny olombelona ny Salamo. Inona no hevitr'izany? Na dia saro-takarina aza izany hevitra izany, ahoana no anampian'izany antsika hahita ny fanirian’Andriamanitra hanakaiky ny olony? Ahoana no anehoan'ny Salamo amin’ny fombany manokana ny maha-akaikin’ny taranak’olombelona sy ny tsirairay avy amintsika an'Andriamanitra?
  2. Resaho ao amin'ny kilasy ny fotoana nahitanao andalan-tenin’ny Salamo izay miresaka mivantana mikasika ny toe-javatra niainanao. Inona ny fampaherezana sy fanantenana hitanao tao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal