Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FARANTSAKELY ROA NATAO FANATITRA

Daty
Alahady 01 September 2024

Vakio ny Mar. 12:41-44. Ohatrinona no natolotr'ilay mpitondratena ho fanatitra, ary inona no nambaran'i Jesôsy momba izany?

Nahatalanjona ny hatsaran-tarehin'ny tempolin'i Jerosalema. Nisongadina teo amin'ny tanàna ny tendrombohitra nisy ny tempoly, ary nampitolagaga mandraka ankehitriny ireo vato lehibe tao amin'ny rafitry ny tempoly; nilanja an-jato taonina ny sasany tamin'izany. Teo ambany fanapahan'i Hérode le Grand (tany amin'ny taona 20 TIK tany ho any) no nanovana ny endriky ny tempoly sy nanitarana ny tempoly sy ny tendrombohitra misy azy, kanefa nitohy hatrany amin'ny taona 60 TrK ny fanorenana sy ny fanatsarana ny rafi-trano.

Nitondra fanatitra marobe ny olona maro ary nanatitra izany tao anatin'ny fandatsahan-drakitra niisa 13 tao amin'ny "kianja afovoany" (kianja izay azon'ny vehivavy nidirana) izay teo akaikin'ny tempoly. Teo no nipetrahan'i Jesôsy raha nahita mpitondratena iray nanatona sy nandrotsaka lepta roa lzy. Nitovy tombambidy tamin'ny 1/32 amin'ny denarius iray izany, ny denarius izay vola fanome ho karaman'ny mpiasa iray mandritra ny andro iray. Kely dia kely tokoa, araka izany, ny fanatitra nentin'ilay vehivavy.

Nanaitra an'i Jesôsy anefa ny fanatitra narotsak'io vehivavy io. Maro tamin'ireo mpanan-karena no nandrotsaka vola be tao anaty fandatsahan-drakitra saingy tsy nanambara na inona na inona mikasika ny fanomezan'izy ireny i Jesôsy tamin'ny fotoana nanaterany izany. Noderainy kosa anefa ny fanatitra nataon'ity mpitondratena ity, ary nambarany fa nanome betsaka noho ny clona hafa rehetra teo izy. Ahoana no mampitombina izany? Nambaran'i Jesôsy fa tamin'ny haben'ny fananan'ireo olona ireo no nanolorany ny fanatitra fa ity vehivavy ity kosa nanolotra fanatitra tamin'ny alahelony. Mbola betsaka ny ambin'ny haren'ireo fa ny an'ity vehivavy ity, natolony izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra. Izany no mahatonga ny fanatitra natolony ho betsaka, na dia maivana aza ny sandan'ny vola natolony.

Misy lesona mafonja mikasika ny fomba fitantanana ny fananana ao anatin'ity tantara ity. Tsy miankina amin'ny zavatra ataon'ireo mpitarika ny fankasitrahan'Andriamanitra ny fanomezana atolotra hanohanana nyAsany. Ratsy fitondran-tena ireo mpitondra fivavahana tao amin'ny tempoly kanefa tsy nilaza i Jesôsy fa tsy tokony hanao fanatitra ny olona noho izany. Raha nisy ny mpitondra fivavahana ratsy fanahy (Kaiafa angamba na Anasy?), dia ireo tamin'izany andro izany no anisan'ny ratsy indrindra. Ary fantatr'i Jesôsy izany.

Marina tokoa fa manana andraikitra masina mba hampiasa ireo vola araka ny sitrapon'Andriamanitra ny mpitarika, kanefa na dia tsy manao izany aza izy ireo, ny olona izay manolotra vola hanohanana ny raharahan'Andriamanitra dia mbola hotahina ihany, tahaka ity vehivavy ity. Etsy andanin'izany, ny tsy famerenana ny ampahafolony na ny fanatitra, vokatry ny fanaovan'ny mpitarika zavatra tsy mety, dia midika fa mifamatotra amin'ny asan'izy ireo ny fanomezantsika fa tsy atolotra ho fankasitrahana an'Andriamanitra tsy akory. Mety halaim-panahy hanao izany isika kanefa fahadisoana izany.

Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin’io tantara io momba ny lanjan'ny fahatokiana eo amin'izay omentsika hanohanana ny asan'ny Tompo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal