Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 24 October 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Heb. 1:1,2; 2 Tim. 3:15-17; 2 Pet. 1:18-21; Eks. 17:14; Apôk. 1:19; Ezek. 4:1-8.

Tsianjery

"Ny fanambaran'i Jesôsy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesôsy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany." - Apôk. 1:1,2

Anisan'ireo apostoly 12, izay akaiky indrindra an'i Jesôsy , i Jaona (Lio. 8:51; Mat. 17:1; Mat. 26:36,37). Nanohy ny asa fanompoany tao Jerosalema izy taorian'ny niakaran'i Kristy ho any an-danitra. Kanefa talohan'ny faharavan'ny tanàna tamin'ny taona 70 TrK, dia nifindra tany Efesosy izy mba hiandraikitra ireo fiangonana tao amin'ny faritanin'i Azia Minora, izay teo ambany fanapahan'ny Romanina. Natao sesitany tany Patmo, nosy iray any amin'ny Ranomasina Égée, ity apostoly ity, nandritra ny fanenjehana ny Kristianina tamin'ny andron'ny amperora romanina Domitien.

Tany Patmo no nandraisan'i Jaona hafatra ara-paminaniana manokana, izay tsy natao ho an'ireo fiangonana fito tany Azia Minora ihany, fa ho an'ny Kristianina amin'ny taranaka rehetra koa (Apôk. 1:1-3, 9-11). Toy izao ny fifandimbiasan'ny fampitana ny hafatra ara-paminaniana izay nandraisan'i Jaona anjara: Andriamanitra Ray → Jesôsy Kristy → anjely → apostoly Jaona → ireo mpamaky sy mpihaino. Ohatra mazava momba ny fizotry ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra izany, ka ampiasain'Andriamanitra ny mpaminany mba hampita ny hafany amin'ny olombelona.

Mandinika manokana ireo endrika samihafa isehoan'ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny lesona mandritra ity herinandro ity, ka hifantoka indrindra amin'ny fampitana ny hafatr'Andriamanitra amin'ny olona amin'ny alalan'ny fitenenana sy ny fanoratana ary ny fanehoana ara-tandindona.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal