Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IZA IANAO?

Daty
Alakamisy 12 September 2024

Vakio ny Mar. 14:60-72. Ampitahao ny fihetsik'i Jesôsy sy ny fihetsik'i Petera teo anatrehan'ny zava-nitranga. Inona ireo lesona azontsika raisina avy amin'izany fahasamihafana izany?

Mitantara ny nitondrana an'i Jesôsy teo amin'ny Synedriona sy ny dingana voalohan'ny fitsarana an'i Jesôsy ny Mar. 14:53-59. Tsy nahitana mangirana ity toe-javatra ity. Nitady hatrany izay hampitombina ny fanamelohany an'i Jesôsy ireo mpitondra. Ambaran'ilay mpanoratra ny filazantsara fa mpiampanga lainga no betsaka, ary tsy nifanaraka ny fiampangany.

Farany dia ny mpisoronabe no nitsangana niresaka mivantana tamin'i Jesôsy. Tsy namaly i Jesôsy tamin'ny voalohany. Kanefa rehefa nampianiana Azy teo anatrehan'Andriamanitra ny mpisoronabe (jereo ny Mat. 26:63) ka nanontany Azy mivantana raha Izy tokoa no Mesia, dia niaiky tamim-pahatsorana sy an-karihary i Jesôsy fa Izy tokoa no Izy. Avy eo dia nilaza teny avy ao amin'ny Dan. 7:13,14 i Jesôsy, momba ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, avy eo amin'ny rahon'ny lanitra. Tafahoatra loatra izany ho an'ny mpisoronabe, izay nandriatra ny fitafiany sy niantso fanamelohana ho an'i Jesôsy. Avy hatrany dia neken'ny rehetra ny hanamelohana Azy. Dia nanomboka nanala baraka an'i Jesôsy ireo mpitari-pivavahana, nandrora Azy, nanarona ny tavany sy namely tahamaina Azy ka nanao hoe: "Maminania".

I Jesôsy, tao anatiny dia nandalo fitsarana, ary nanao fanambarana mahatoky; i Petera kosa tany ivelany nilaza lainga. lo no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) farany ao amin'ny bokin'i Marka, izay maneho fanesoana amin'ny fomba manokana. Mifanohitra ny zavatra ataon'i Jesôsy etsy andaniny, sy i Petera etsy ankilany. Marina ny fanambaran'i Jesôsy, fa ny an'i Petera kosa diso. Intelo i Petera no nohatonin'ny mpanompo na ny sasany tamin'ireo izay nanatrika ny fitsarana teo an-kianja, ary nandà hatrany ny fananany fifandraisana amin'i Jesôsy izy. Niozona sy nianiana ny amin'izany mihitsy aza izy nony farany.

Teo no naneno fanindroany ny akoho, ka tsaroan'i Petera tampoka ny faminaniana nataon'i Jesôsy fa handà Azy intelo izy iny alina iny. Dia nitomany fatratra i Petera. Misy toe-javatra manaitra sy mampieritreritra eto: tamin'ny fotoana farany nitsarana Azy dia notampenana ny mason'i Jesôsy, nasiana tehamaina Izy ary nobaikoina haminany. Nandritra izany fotoana izany indrindra anefa no nandavan'i Petera an'i Jesôsy intelo teo ambany teo an-kianja, ka nahatanterahan'ny iray amin'ny faminaniana nataon'i Jesôsy. Araka izany, hoporofoin'i Petera tamin'ny nandavany Azy intelo fa i Jesôsy tokoa no Mesia.

Inona ny teny mitondra fanantenana azonao omena ny olona iray izay maniry hanara-dia an'i Jesôsy kanefa indraindray lavo am-pandehanana? Tsy efa nisy fotoana koa ve nandavantsika tsy hanaraka izay fantatsika fa tian'i Jesôsy hataontsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal