Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

August 2024

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny IFM, toko 81: "Nitsangana ny Tompo", sy ny toko 86: `Mandehana any amin'ny firenena rehetra".

MANDEHANA ANY AMIN'IZAO TONTOLO IZAO

Vakio ny Mar. 16:14-20. Inona no nambaran'i Jesôsy tamin'ny mpianany rehefa niseho tamin'izy ireo Izy? Midika inona ho antsika ireo teny ireo ankehitriny?

NISEHO TAMIN'I MARIA SY NY MARO HAFA I JESÔSY

Vakio ny Mar. 16:9-20. Inona ny fanampim-panazavana omen'ireo andininy ireo momba ny tantaran'ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty?

Saika misy itoviany amin'ireo andininy hafa ao amin'ny TV ny voalaza ao amin'ny Mar. 16:9-20 - i Maria Magdalena nahita an'i Jesôsy teo amin'ny fasana (Mat. 28:1,9,10; Jao. 20:11-18; ampitahao amin'ny Lio. 8:2); nahita Azy ireo roa Iahy nankany an-tsaha (Lio. 24:13-35); naniraka azy roa ambin'ny folo Iahy i Jesôsy (Mat. 28:16-20, Lio. 24:36-49, Jao. 20:19-23).

IREO VEHIVAVY NANKANY AMIN'NY FASANA

"Niandry fatratra ny hahalasa ny oran'ny Sabata ireo vehivavy izay nijoro teo amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, raha vao nazava ratsy ny andro, dia Jasa nankany amin'ny fasana izy, nitondra ireo zava-manitra sarobidy hanosorana ny fa -tin'ny Mpamonjy. Tsy nieritreritra ny momba ny hitsanganany amin'ny maty izy. Efa nilentika ny masoandron'ny fanantenany, ary nidina tao am-pony ny alina. Raha teny an-dalana izy, dia namerina nitantara ny asam-pamindrampo sy ny teny fampaherezana nataon'i Kristy.

EFA VOAKODIA NIALA NY VATO

Vakio ny Mar. 16:1-8 sy ny 1 Kôr. 15:1-8. Inona no iraisan'ireo andininy ireo?

Samy mitantara ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ny filazantsara efatra. Araka ny fomba fijeriny avy no nanoratan'ireo mpanoratra ny filazantsara izany tantara izany, kanefa foto-kevi-dehibe iray ihany no voizin'izy ireo, izay hita koa ao amin'ny 1 Kôr. 15:1-8.

FIFALIANA AMIN'NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY

Vakio ny Mar. 15:42--16:6. Inona no mitranga eto? Ary nahoana io tantara io no tena manan-danja ao amin'ny fitantarana momba ny fitsanganana amin'ny maty?

Miara-manaiky ny filazantsara efatra fa maty tamin'ilay andro antsoina hoe "Fiomanana" i Jesôsy (Mat. 27:62; Mar. 15:42; Lio. 23:54; Jao. 19:14,31,42). Manazava ny ankamaroan'ny mpandinika fa manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro Alakamisy hatramin'ny filentehan'ny masoandro Zoma io andro io. Ny harivan'ny Zoma i Jesôsy no maty, ary nalevina haingana Izy tsy ho tratry ny filentehan'ny masoandro.

Nandevona

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 15:42-47; Mar. 16; Kôl. 2:10-12; 1 Kôr. 15:1-8; Dan. 9:24-27; Jao. 20:11-18.

Tsianjery: "Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesôsy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, hianareo; efa nitsangana lzy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy."- Mar. 16:6. 

FIANARANA FANAMPINY

 Vakio ny "Tao amin'ny fitsaran'i Pilato" (toko 77), "Kaivary" (toko 78) ary ny "Vita" (toko 79) ao amin'ny IFM. 

NATAO TAO AM-PASANA

Vakio ny Mar. 15:42-47. Inona ny hevitry ny fidiran’i Josefa avy any Arimatia an-tsehatra, indrindra noho ny tsy fahitana ireo mpianatr'i Jesôsy?

Taorianizany zavatra nifamahofaho izany dia toe-javatra "mahazatra" no nitranga. Tsy maintsy alevina mandrakariva ny maty. Misy teboka maromaro izay manaitra amin'ny lafiny ara-panahy anefa, ary misy ireo manan-danja fatratra ara-tantara.

NAFOIN'ANDRIAMANITRA

Vakio ny Mar. 15:33-41. Inona ny hany teny nataon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana araka ny filazantsaran'i Marka? Inona no hevitry ny fahafatesan'i Kristy ho antsika rehetra?

Asehon'ny filazantsaran'i Marka ho toy ny toerana feno haizina mikitroka ny hazo fijaliana, ni ara-batana izany na ara-panahy. Haizina tsy tahaka ny mahazatra no hita teo Kalvary nanomboka tamin'ny mitataovovonan'ny Zoma mandra-pahatongan'ny tamin'ny 3 folakandro. "Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy' Mar. 15:33.

Pagination

  • 1
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal