Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.

Daty
Alatsinainy 29 December 2025

Tany Makedonia dia imbetsaka i Paoly no naiditra am-ponja, araka ny filazany (2 Kôr. 6:5; 2  11:23; 2 Kôr. 7:5). Ny tranga voalohany voasoratra dia ny tany Filipy (Asa 16:16-24). Taorian'izany, dia nogadraina vetivety tany Jerosalema izy talohan'ny namindrana azy tany amin'ny fonjan'i Kaisaria.

Any amin'ny andininy hafa, dia hoy i Paoly hoe: "teto amin'ny fifatorako" – Filem. 10,13. Na tao anaty trano aza izy no gadra tany Roma, dia nifatotra tamin'ny miaramila Romana iray manokana izy. Nilaza i Ignatius, Kristianina -iray nofatorana toy izany koa, tany amin'ny voalohandohanlny taonjato faharoa, fa ireo miaramila ireo dia nitondra tena toy ny "bibidia (...) izay vao mainka mihamasiaka arakaraka ny ifandraisana tsara aminy." —Michael W. Holmes, ed., The Apostolic Fathers (Grand Rapids, MI: Baker Academic, 2007), t. 231.

Vakio ny 2 Kôr. 4:7-12. Ao amin'ireo andininy ireo, tamin'ny fomba ahoana no nahafahan'i Paoly nizaka ny fitsapana nahazo azy? Inona no hita fa nifantohan'ny fiainany?

Na toy inona na toy inona hasarotry ny fiainana, dia nahita ny lafy tsara hatrany Paoly, ary izany no nanome azy herim-po niatrehany ny adin-tsaina. Na dia namely azy tamin'ny fomba rehetra aza i Satana, dia fantatr'i Paoly fa tsy nafoy izy.

Vakio ny 2 Kôr. 6:3-7. Inona ireo harem-panahy nananan'i Paoly izay nanampy azy hiatrika ireo zava-tsarotra ireo?

Matetika isika no mety alaim-panahy hifantoka amin'ny toe-javatra misy antsika, ny fahalementsika, na ny tsy fahombiazantsika tamin'ny lasa, ka kivy. Amin'ny fotoana toy izany no ilantsika mahatsiaro ny fomba rehetra nanampian'Andriarnanitra antsika tamin'ny lasa ka nahafahantsika nandresy ny ratsy. Anisan'ny lehibe indrindra amin'izany ny Baiboly, izay "teny fahamarinana", satria afaka mandray lesona avy amin'ny fahadisoan'ny hafa isika, sy avy amin'ny fomba nahombiazan'izy ireo. Ary koa, "Ny Fanahy no mampisy vokany izay efa notanterahin'ny Mpanavotra an'izao tontolo izao. Ny Fanahy no mampadio ny fo. Amin'ny alalan'ny Fanahy dia manjary mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra ny mpino, Nomen'i Kristy ny Fanahiny amin'ny maha-herin'Andriamanitra azy hoenti-mandresy ny fironana rehetra ho amin'ny ratsy nolovaina sy nokolokoloina, sy handatsaka lalina ny toetra amam-panahiny amin'ny fiangonany." — IFM, t. 671.

Ahoana no ahafahantsika, amin'ny maha-mambra tsotra na mpitandrina antsika, mampiseho ny tenantsika "ho mpanompon'Andriamanitra" mandrakariva - 2 Kôr. 6:4? Inona no hevitr'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal