Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.

Daty
Alakamisy 01 January 2026

Vakio ny Fil. 1:1-3 sy ny Kol. 1:1,2. Ahoana no amaritana ny fiangonana tany Filipy sy Kolosia, ary inona no hevitra fonosin'izany fanambarana izany?

"Olona masina" no iantsoan'i Paoly ny Kristianina any amin'ireo toerana ireo ao amin'ny epistiliny, araka ny fanaony rehefa miarahaba na manao veloma azy ireo. (zany hoe, tamin'ny alalan'ny batisa dia nohamasinina ho olona manokan'Andriamanitra izy ireo, toy ny vahoaka Isiraely tamin'ny alalan'ny famorana (Eks. 19:5,6; ampitahao amin'ny 1 Pet. 2:9,10), izay natokana ho "firenena masina," (Tsy misy ifandraisany velively amin'ny fanaon'ny fiangonana romanina izany, izay manandratra olona ho "olo-masina").

Mahaliana koa ny fampitahana ny fiarahaban'i Paoly ao amin'ireo epistily roa ireo. "Ny mpitandrina sy ny diakona" (Eli. 1:1) no resahiny tany Filipy, ary "rahalahy mahatoky ao amin'i Kristy" (Kôr. 1:2) kosa tany Kolosia, Rehefa miresaka momba ny "rahalahy mahatoky" ny TV, dia olona manana fanompoana manokana ao amin'ny fiangonana izany (jereo ny Efes. 6:21; Kol. 4:7; 1 Pet. 5:12). Noho izany, tsy ireo mambran'ny fiangonana fotsiny no resahin'i Paoly fa ireo mpitondra fivavahana ao amin'ireo tanana ireo koa. Ny fanondroana andraikitra, izay voafaritra kokoa any amin'ny epistily hafa (ohatra, ao arnininy 1 Tim. 3:1-12; Tit. 1:5-9) dia vavolombelon'ny fisian'ny fandaminana sy ny maha zava-dehibe izany hatramin'ny niandohan'ny fiangonana.

Laharam-pahamehana ho an'i Paoly ny fanofanana mpiara-miasa toa an'i Timoty sy Epafra, sy ny fametrahana mpitarika ho an'ny fiangonana teo an-toerana; ary nampitombo ny ezaka nataony teo amin'ny asa fitoriany izany. Izany hoe, nanana fomba fiasa sy paikady ho an'ny asa fitoriana sy ny fihazonana ny mpino tsy hihemotra izy. Nanaraka ny fandaminana fiangonana ao amin'ny Testamenta Vaovao ny mpamaky lay advantista, araka ny asehon'ny lahatsoratra maro ao amin'ny Review and Herald nanomboka tamin'ny taona 1850. Raha ny marina, hoy i James White: "Ny fandaminana avy amin'Andriamanitra ao amin'ny Testamenta Vaovao dia ampy handaminana ny fiangonan'i Kristy. Raha nisy fandaminana hafa nilaina, dia ho nomena tamin'ny alalan'ny tsindrimandry izany." —"Gospel Order," The Advent Review, and Sabbath Herald, 6 Desambra 1853, t. 173. Taloharitny nanoratan'i Paoly ho an'ireo fiangonana ireo, dia efa nanomboka nametraka tompon'andraikitra tao amin'ny fiangonana tany Jerosalema ireo apostoly (jereo ny Asa' 6:1-6; Asa 11:30), izay "natao ho ohatra amin'ny fandaminana ny fiangonana eo amin'ny toerana hafa rehetra ahazoan'ireo mpitondra hafatry ny fahamarinana, olona niova fo ho amin'ny filazantsara." — VM, t. 82.

Fantatsika fa nanana mpanampy i Paoly tamin'ny fanoratana sy fandrafetana ny epistiliny. Voatonona ho mpiara-mandefa hafatra aminy i Timoty any amin'ny epistily hafa (jereo, ohatra, ny 2 Kôr. 1:1; Filem. 1). Ny fanononan'i Paoly ny tenany voalohany fa tsy olon-kafa dia mampiseho fa mijoro ao ambadik'ireo epistily ireo koa ny fahefany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal