Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - Ny Soratra Masina sy ny fahamarinana

Daty
Alakamisy 05 December 2024

Mitana anjara toerana lehibe ny Soratra Masina ao amin'ny filazantsara manontolo, amin'ny fanambarana amintsika momba llay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Manana anjara lehibe amin'ny fanambarana ny fahamarinana ny Baiboly, ny TV sy ny TT, ny Soratra Masina. Mitombina tokoa izany, indrindra rehefa miresaka momba ny fampianarana hoe: Iza i Jesôsy? Hanao inona no nahatongavany?

Vakio ny Jao. 5:38-40. Inona no lazain' i Jesôsy eto momba ny Soratra Masina?

Imbetsaka i Jesôsy sy ny mpianany no manondro ny Soratra Masina mba hanamarinana fa Izy no Mesia. Hoy i Kristy: "Fa raha nino an'i Mosesy hianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?" - Jao. 5:46,47.

Vakio ny Lio. 24:27. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny nampiasan'i Jesôsy ny Soratra Masina mba hanambarana ny hevitry ny asany?

Any amin'ny andininy hafa dia naka andalan-teny avy ao amin'ny Eksôdôsy i Kristy ka nilaza hoe: "moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo (...)?" - Mat. 22:31. Nilaza ny amin'ireo teny fikasan'Andriamanitra koa i Zakaria fa Andriamanitra nampilaza ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola (Lio. 1:70). Ary tao anatin'ny toriteniny tamin'ny Pentekôsta dia hoy i Petera: "Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesôsy ." - Asa. 1:16.

Tsy lahatsoratra momba ny siansa tsy akory ny Baiboly. Tsy manazava ny fomba fizarazarana ny atoma izy na ny fandidiana atidoha. Zava-manan-danja mihoatra lavitra noho izany no ataony. Ao ny tontolon-kevitra mampisy heviny ny tontolo misy antsika. Izy no fanalahidy mamoha ny varavarana, fahazavana mahatonga ny maso hahita. Raha tsy nisy azy dia ho nitoetra tao anatin'ny haizina isika ka tsy ho nahalala akory ny fisian'Andriamanitra, na ny anjara asany eto amin'izao tontolo izao, na ny niandohantsika, na ny hevitry ny fiainana, na ny hoavy.

Inona avy ireo fahamarinana sasany ao amin'ny Baiboly izay tsy hain'ny siansa velively ampianarina antsika, na amin'ny alalan'ny tsangan-kevitra aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal