Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 04 September 2025

FENO NY FANAHIN'ANDRIAMANITRA

Nanome toromarika an-tsipiriany an'i Mosesy Andriamanitra mahakasika ny fanompoam-pivavahana atao ao amin'ny fitoerana masina. Nasaina nanao akanjom-pisoronana ny mpisorona, ny mpisoronabe kosa nasaina nanao efoda manokana izay nahitana ireo anaran'ny zanak'i Isiraely. Nanao saron-tratra koa ny mpisoronabe, izay nisy ny orima sy ny tomima, ary natao nanolotra ny fony izany (Eks. 28). Nasaina notokanana koa ny mpisorona rehetra (Eks. 29). Fitaovana hafa nasaina nokarakaraina tamim-pitandremana fatratra ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, ny tavy fisasana, ny diloilo fanosorana ary ny ditin-kazo manitra (Eks. 30),

Vakio ny Eks. 31:1-18. Inona no fanampiana manokana natolotr’Andriamanitra ho fanomanana sy fanorenana amin'ny fomba kanto sy araka ny tokony ho izy ireo tsipirian-javatra tao amin'ny fitoerana masina sy ny fanompoam-pivavahana mifandraika aminy?

Izao no fotoana voalohany indrindra ahitana ao amin'ny Soratra Masina fa hofenoin'Andriamanitra ny Fanahiny ny olona iray. Midika inona moa izany? Nomena hery hoenti-manao asa tanana kanto tao amin'ny fitoerana masina i Bezalila. Nofenoina ny Fanahin'Andriamanitra izy, izany hoe, nomena fahaiza-manao vaovao, sy fahatakarana ary fahalalana mikasika ny asa tanana nilaina tamin'izany. Ankoatra izany, dia nomen'Andriamanitra an'i Oholiaba sy ireo mpahay asa tanana hafa koa izany Fanahy izany mba hanampy azy ireo amin'ny asa.

Tao anatin'izany fahaiza-mamorona rehetra izany no nanolorana ny Sabata ho famantarana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany fa i Jehôvah no manamasina azy ireo. Midika izany fa ny fitandremana ny didy fahefatra dia ampifandraisina amin'ny fanamasinana. Taty aoriana, dia nilaza i Ezekiela hoe: "Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehôvah no manamasina azy." - Ezek. 20:12.

Ny Sabata dia fampahatsiahivana fa tsy Mpamorona antsika fotsiny ihany i Jehôvah (Gen. 2:2,3) fa Mpanavotra antsika sy Andriamanitra (Deo. 5:15; Mar. 2:27, 28) ary koa ilay Iray masina. Manova ny olona amin'ny fanatrehany Izy; amin'ny alalan'ny Fanahiny sy ny Teniny no itomboan'izy ireo mba haneho taratra ny toetra be fitiavana sy malemy fanahy ary tsy tia tena sy mamela heloka.

Ny didy folo no fanomezana faratampony natolotr'Andriamanitra an'i Mosesy (Eks. 31:18). Andriamanitra mihitsy no nanoratra ireo didy folo teo amin'ny vato fisaka roa ary nanome izany (Eks. 31:18; Deo. 9:9-11). Nasain'Andriamanitra napetraka tao amin'ny efitra masina indrindra ireo vato fisaka roa ireo, tao anatin'ny fiaran'ny fanekena, izay teo ambanin'ny rakotra fanaovam-panavotana (Eks. 25:21).

Avy amin'ny teny hebreo izay manana fototeny hoe "manao fanavotana" ny hoe "rakotra fanaovam-panavotana". Nahoana, araka izany, io "rakotra fanaovam-panavotana" io no napetraka teo ambonin'ny lalan' Andriamanitra? Inona no fanantenana hitantsika ao anatin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal