FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny fitoerana masina sy ny momba azy rehetra," tt. 331-341 ao amin'ny PM.
Toerana manokana nanaovana fanavotana ho an'ireo fahotana niaiken'ny vahoakan Andriamanitra ny tabernakely. Toerana nampahafantarana ny drafi-pamonjena iray manontolo izany, drafitra izay nampahafantarina an-tsipiriany ny zanak'Isiraely fony izy ireo tany an'efitra. Samy nampianarina tao ny fanamarinana sy ny fanamasinana ary ny fitsarana. Nanondro ny fahafatesan'i Jesosy ny biby tsirairay natao fanatitra, ary koa nanondro ny famelana ny fahotana sy ny fikosehana izany amin'ny farany. Niara-dalana tamin'ireny fanatitra ireny ny lalan'Andriamanitra izay fenitry ny fahamarinana.
"Raha tahiny ka ny Lalan'Andriamanitra ao anaty fiara no antoky ny fitsipika lehiben'ny fahamarinana sy milaza ny fahafatesan'ny mpandika lalana, dia ny rako-panavotana izay manarona azy kosa ka hanehoan'Andriamanitra ny fanatrehany, no mampanantena famelan-keloka ho an'ny mpanota mibebaka izay manaiky ny fanati-panavotana. Toy izany no nanehoana ny fanavotana nataon'ny Zanak'Andriamanitra ara-tandindona tao amin'ny fitoerana masina izay ao no 'mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.' - Sal. 85:10" - PM, t. 336.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Impiry ianao no efa nilaza hoe: "Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataoko?" Nanao ahoana ny fahombiazanao manoloana ny ezaka natao?
2. Tamin'ny fiafaran'ny 40 andro nijanonan'i Mosesy tany an-tendrombohitra Sinay niaraka tamin'i Jehôvah , dia notsipihin'Andriamanitra ny tsy maintsy hitandreman'ny Isiraelita ny Sabata satria izany no ho famantarana eo Aminy sy izy ireo fa Izy no Jehovah izay manamasina azy. Inona no anjara asan'ny fahamasinana sy ny fanamasinana eo amin'ny fitandremana ny Sabata?
3. Nirin'i Jehôvah ny hanaovan'izy ireo fitoerana masina "dia honina eo aminy Aho." Mahavariana tokoa izany toerana izany, izay ivon'ny famonjena ny Isiraely. Tao amin'io fitoerana masina io, izay nitoeran'i Jehôvah teo amin'ny vahoakany, no nanatanterahana ny drafi-pamonjena tamin'ny alalan'ireo aloka sy tandindona maro. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fianteherantsika manontolo amin'Andriamanitra mba hahazoana famonjena?