Vakio ny 2 Kor. 3:1-9. Ahoana no hahatonga antsika ho epistilin'i Kristy?
Fahita matetika teo amin'ny tontolo grika-romanina ny taratasy fanamarinana. Na izany aza, dia tsy nitondra taratasy toy izany i Paoly. Ny herin'ny Fanahy Masina izay nanova ny fiainan'ireo Korintianina no porofo fa tena marina ny fanompoany. Kanefa fantatr'i Paoly tsara fa tsy noho ny fahendreny na ny ezaka nataony no nampiorina ny fiangonana tao Korinto (2 Kor. 3:4-6). Tsy nitady hanandratra ny tenany izy (2 Kör. 3:5; 1 Kor. 2:2).
Ireo fanekena roa no fakafakain'i Paoly fohifohy hoentiny miresaka momba ny fanompoany: ny fanekena taloha izay nasehon'i Mosesy, ary ny fanekena vaovao izay asehon'izy sy ireo mpiara-miasa aminy. Raha vakina maimaika izany dia mahatonga ny mpamaky azy hihevitra fa tsy misy fanantenana momba ny famonjena ao amin'ny fanekena taloha, diso anefa izany. Nisy famonjena tao amin'ny Fanekena Taloha tahaka ny isian'izany ao amin'ny Fanekena Vaovao. Ny Fanekena Taloha mantsy dia ny filazantsara notoriana mialoha. "Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra."-Gal. 3:8.
Hitantsika ao amin'ny 2 Kor. 3:1-4:6 fa ny Fanekena Taloha dia ampiasaina hanehoana ny fanandramana niainan'ireo izay niankina tamin'ny asam-pankatoavany mba hahazoany sitraka amin'Andriamanitra. Ny Fanekena Vaovao kosa dia maneho ny fanandraman'ireo izay miankina tanteraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra mba hanatanteraka izay nampanantenain'Andriamanitra fa hatao ho azy sy ao anatiny.
Miresaka momba ny valiny roa samy hafa asetrin'ny mpino sy ny tsy mpino ny filazantsara i Paoly. Tsy filazantsara samy hafa tsy akory no resahiny, ka ny iray ao amin'ny TT ary ny iray ao amin'ny TV. Tsy izany, satria filazantsara iray ihany ireo, avy amin'Andriamanitra "Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola."- 2 Tim. 1:9.
Izany akory tsy mandà ny fisian'ny singa ara-tantara ao amin'ny 2 Kor. 2:14-4:6. Ampiasainy izany tantara izany hanamafisana fa ny sasany amin'izy ireo dia "hovonjena" ary ny sasany kosa "ho very"- 2 Kor. 2:15. Noho ny fihetsiky ny olona sasany, izay naneho tsy finoana ny fanompoan'i Mosesy, dia azo heverina fa fanompoana mitondra fanamelohana sy fahafatesana ny fanompoany. Satria nino izany kosa ny fiangonana tany Korinto, dia voaporofo teo amin'izy ireo fa fanompoan'ny fahamarinana ny fanompoan'i Paoly, fanompoan'ny Fanahy izay manome fiainana izany.
Izany fanandraman'ny famonjena tao amin'ny fiangonana tany Korinto izany no porofo manamarina fa fanompoana tena izy no nataon'i Paoly.