Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 07 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Rota 1:1-5; Rota 2:5-20; Joba 1:6-11; Mat. 4:8,9; Est. 3:1-14; Apôk. 12:14-17.

Tsianjery:

"Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro Estera, vadin'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina." - Est. 5:2

Hanohy ny fandinihana ireo tantara izay maneho mialoha ny toe-javatra hitranga amin'ny andro farany isika amin'ity herinandro ity. Mampiasa tantara sy olona tena nisy Andriamanitra mba hanampiana antsika hahita ny toe-javatra araka ny fomba fijeriny ary koa mba hahatakarantsika ny fomba fanazavana ny faminaniana izay omena aty aoriana kely ho fanamafisana ny finoantsika.

Vehivavy manana ny maha-izy azy anankiroa no ifantohantsika, izay manana tantara nikasika ny fon'ny taranaka maro nifandimby: i Rota sy i Estera. Ny iray dia mpitondratena namoy izay rehetra nananany nefa nahita fanantenana taorian'ny nifankahitany tamin'i Boaza, lehilahy tsara fanahy, izay havana mahavotra azy. Tonga tantaram-pitiavana tian'ny Kristianina indrindra ny ndra ny fanambadian'izy ireo noho ny fanehoan'izany ny fitiavan'i Kristy antsika. Ny anankiray indray dia tovovavy iray nonina tany amin'ny firenen-kafa, izay nahalala ny teti-dratsy hoenti-mandringana ny vahoakany ka nanjary tafiditra teo amin'ny sehatry ny tantara, mba hamonjena azy ireo.

Mazava loatra fa sary an'ohatra mahery vaika anehoana ny fiangonan' Andriamanitra ny vehivavy ao amin'ny faminaniana, izay manazava amintsika ny fomba fiheveran'Andriamanitra ny olony. Andeha hojerentsika ny tantaram-piainan'ireo vehivavy roa ireo ao amin'ny Baiboly, izay noraketina mandrakizay ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ka amin'izany no hisintonantsika lesona avy amin'ny fanandramana niainany.

*Famerenana ny lesona ny sabata 14 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal