FAMAHANA NY FIFANDIRANA
Vakio ny Jos. 22:30-34. Ahoana no anomezan'io 1 Sam. 3 toe-javatra iray manontolo to hevitra antsika mikasika ny fomba famahana ny olan'ny fifandirana sy ny fomba atao mba hahazoana antoka fa ho iray lhany ny fiangonana? (Ampitahao amin'ny Sal. 133; Jao. 17:20-23; 1 Pet. 3:8,9).
Ahitana fitsipika maro mikasika ny fifandraisana ny tantara ao amin'ny Jos. 22, fitsipika izay azo ampiharina eo amin'ny fifandraisan'ny olombelona andavanandro izany. eo anivon'ny ankohonana sy ny fiangonana ary ny fiarahamonina.
- Rehefa tsy mizotra araka ny tokony ho izy ny toe-javatra, na koa tahaka izany no fahitana azy, dia ny mifampiresaka no tsara indrindra fa tsy ny mikobona ny hevitra na ny fomba fijerintsika mandra-pitroatra izany. Tsara ho an'ny vahoakan Andriamanitra ny tsy maneho tsy firaihana rehefa misy olana miseho. Mazava loatra, fa raha nanambara ny fikasany hanorina alitara ireo foko tany an-dafy atsinanan'i Jordana dia tsy ho nisy akory ny olana teto.
- Aoka tsy ho maika hanao tsoa-kevitra na dia resy lahatra ho manana ny marina aza. Haingana loatra ny ninoan'ireo foko tany andrefan'i Jordana ny honohono ren'izy ireo sy ny nanaovany tsoa-kevitra diso ka nilazany fa nampiseho fihermorana ireo foko tany atsinanan'i Jordana.
- Resaho ny momba ilay tena olana na izay mety heverina ho olana mialoha ny hanaovana tsoa-kevitra.
- Aoka hanaiky hamoy zavatra mba hitandroana ny firaisana. Nanaiky hanome ny ampahan-taniny ho an'ireo foko hafa ny foko tany andrefan'i Jordana raha toa ka ny maha any ampitan'i Jordana an'ireo foko ireo no nahatonga azy ireo hampiseho fihemorana (araka ny fiheverany).
- Rehefa ampangaina, na marina ny fiampangana na diso, dia aoka hanao famaliana mora mba hampianina ny fahatezerana mafy. Tsy hitarika ho amin'ny filaminana mihitsy ny famaliana ny fiampangana amin'ny fiampangana. Miezaha hahatakatra ny hafa mialoha ny hiezahana hanazava ny hevitrao.
- Mifalia ary misaora an'Andriamanitra rehefa tafaverina indray ny filaminana ary mivitrana indray ny fihavanana. Mahafinaritra ny mahita ny fifaliana vokatry ny fo tsapan'ny fiangonana isiraelita rehefa ren'izy ireo ny tena antony nanosika ireo foko roa sy ny antsasaky ny firenen'i Manase hanorina alitara. Tsy niavonavona izy ka niziriziry tamin'ny heviny, fa nanaiky ny fahadisoan'izany.
Ho nampihatra ireo fitakian'ny fanekena ny vahoakan'ny Isiraely raha toa ka tena nampiseho fihemorana tokoa ireo foko tany atsinanan'i Jordana. Tsy azo atao tohan-kevitra mba hampandeferana ny fahamarinana na koa hialana amin'ireo fitsipiky ny Baiboly ny fitandroana ny firaisana. Na izany aza, dia tokony ho safidy farany (fa tsy voalohany indrindra) ny fitsipi-pifehezan'ny fiangonana rehefa tsy mahomby ny ezaka maro natao mba hampihavana sy ny fiaraha-miasan'ny mpitandrina izay miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ho samy hafa manao ahoana ny ao am-piangonantsika raha hampiharina mandrakariva izany fitsipika tsotra izany!