FAMALIANA MORA
Vakio ny Jos. 22:21-29 ary ampifandraiso amin'ny Ohab. 15:1. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny valintenin'ireo foko avy any an-dafy atsinanan'i Jordana?
Ny valintenin'ireo voampanga, na dia nivantana sy nahery vaika aza ny fiampangana, no ivon'ity toko ity araka ny lohahevitra misy azy sy araka ny firafiny. Hatreto, dia tsy mbola namaly ny fiampangana natao taminy ireo foko ireo fa nihaino tamim-panginana ny faniniana azy ireo. Raha jerena ny heloka lehibe notondroina ho nataon'izy ireo, dia faka tahaka tokoa ny faharetany, satria nasehony ny tena hevitry ny ohabolana hoe: "Ny farmaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana."- Ohab. 15:1.
Ny teny nanombohan'izy ireo ny fiarovan-tenany dia fitohitohizan'ny anarana fiantsoana an'Andriamanitry ny Isiraely: El, Elohim, Yahweh (Jos. 22:22). Naverina indroa izany ary nihanitombo ny heriny, satria nanjary fianianana mba hampisava ny fisalasalana sy ny fanendrikendrehana izay saika nitarika adim-poko teo amin'ny Isiraely. Resy lahatra tokoa izy ireo fa fantatr'Andriamanitra tanteraka ary takany ny zava-miseho, ary nantenainy fa ho tonga amin'izany fahatakarana izany koa ireo solontena ireo. Neken'ireo foko roa sy ny antsasaky ny fokon'i Manase ireo koa fa hampamoahina eo anatrehan'i Jehovah izy ireo ka niantso Azy mba hanao famaliana izy raha toa ka hita fa meloka tokoa (ampitahao amin'ny Deo. 18:19; 1 Sam. 20:16).
Fanambarana manaitra no manaraka izany, fanambarana izay manafoana ilay fiampangana amin'ny lafiny iray (tsy natao hanaovana fanatitra ihany ny alitara). Ary amin'ny lafiny iray hafa dia mampiharihary ny antony nanosika azy ireo hanangana alitara izany, tsy inona izany fa ny tahotra andrao hosarahina amin'ny firenen'ny Isiraely, fa tsy fihemorana tsy akory. Araka izany, dia tsy porofon'ny fihemorana, araka izay noheverin'ny hafa, ny nananganan'ireo foko any an-dafy atsinanan'i Jordana ireo an'ilay alitara. Ny mifanohitra amin'izany aza no izy: nanao izany izy ireo noho ny fahatahorany an'i Jehovah, tahaka ireo foko any an-dafy andrefana ihany. Tsy ny jeografia na ny fidadasiky ny lovan'ny Isiraely no fototra iorenan'ny firaisan'izy ireo, fa ny fanoavana ara-panahy asetriny ireo fitakian'i Jehovah.
Hita koa anefa fa vokatry ny fo tokoa ny ahiahin'ireo foko tany an-dafy andrefan'ny ony rehefa naneho fifaliana izy ireo manoloana ny fahitana fa tsy meloka ireo foko tany atsinanan'i Jordana. Tsy nahatsiaro ho resy tao anatin'ny adihevitra nifanaovany tamin'ireo rahalahiny izy ireo, fa naneho fifaliana vokatry ny fo noho ny fahitana fa diso ny ahiahiny. Voasoroka ilay adim-poko teo amin'ny Isiraely ary voatahiry ny maha-iray ilay firenena.
Ahoana ny fomba fiatrehanao ny fanendrikendrehana? Zarao ny sasany amin'ireo fitsipika izay mifehy ny toetra amam-pihetsikao manoloana izany. Azonao jerena ny Sal. 37:3-6, 34, 37 hoenti-mamaly izany.