Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa

Daty
Talata 09 December 2025

MBOLA MIBAHANA AO AN-TSAINA NY LASA

Avereno vakina ny Jos. 22:13-15 saingy ampitahao amin'ny Nom. 25. Nahoana ny Isiraelita no nifidy an'i Finehasa hitarika Ireo solontenan'ny Isiraely hankany amin'ireo foko roa sy ny antsasaky ny fokan'i Manase?

Mialoha ny hinoana ny honohono mikasika izay noheverina ho fanehoana fahaleovan-tena na fitokanana, dia naniraka solontena ireo foko sivy sy ny antsasaky ny fokon'i Manase, izay notondroina indroa hoe "zanak'Isiraely", mba hamantatra mazava ny hevitr'llay alitara sy ny antony nananganana azy. Tao anatin izany solontena izany i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisoronabe, izay handimby an-drainy rehefa maty izy (Jos. 24:33). Efa fantatry ny olona i Finehasa tamin'ny maha-mpisorona izay nampitsahatra ny fijangajangan'ny Isiraely azy, tany Bala-peora (Nom. 25).

"Ary raha nahita izany Finehasa, zanaki Eleazara, zanaki Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin'ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tanany: dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin'ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin'ny Zanak'Isiraely." -Nom. 25:7,8.

Azo antoka tokoa fa nanana hery miasa mangina teo amin'ny Isiraely i Finehasa. Ireo iraka hafa indray dia solontenan'ireo firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen' Manase izay avy any an-dafy andrefan'i Jordana, lohan'ny fianakaviana isam-poko (izany hoe "lohan'ny fianakavian-drainy" ara-bakiteny), tao amin'ireo fokon'ny Isiraely.

Raha nanomboka ny fiampangana momba ny fahavetavetana sy ny fikomiana ireo solontena, dia ny teny fampiasan'ny mpaminany no nampiasain'izy ireo: "Izao no lazain'ny...." Ny fahasamihafana eto anefa dia tsy Jehôvah no miteny fa ny "fiangonan'i Jehovah rehetra - Jos. 22:16. Nampangain'izy ireo ho nanao zava-mahadiso sy nanao fivadiham-pitokisana ary fikomiana ny Isiraely. Ny teny hoe "zava-mahadiso" eto ihany no teny hebreo nampiasaina hilazana ny fahotan'i Akana (Jos. 7:1) ary imbetsaka no ampiasana izany ao amin'ireo boky dimy voalohany nosoratan'i Mosesy (ohatra: Lev. 5:15; Lev. 5:21: Nom. 5:6, 12). Noraisina ho ohatra naneho izany ny nahazo an'i Akana sy Bala-peora: ny iray ohatry ny fivadiham-pitokisana ary ny iray fikomiana. Natahotra koa ireo foko sivy sy ny antsasaky ny fokon'i Manase andrao ny fananganana alitara tsy nahazoan-dalana hitarika ho amin'ny fihemorana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fanao ratsy izay hampirehitra ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny firenen'ny Isiraely manontolo.

Isika rehetra dia samy efa nandalo tamin'ny fanandramana ratsy tamin'ny lasa, izay hamolavola ny fomba fiatrehantsika ny toe-javatra tahaka izany amin'ny hoavy. Ahoana no anampian'ny fahasoavan' Andriamanitra antsika hahazo antoka fa tsy hamaritra ny fomba fitondrantsika ny namantsika amin'izao fotoana izao ny toe-javatra mahatsiravina niainantsika tamin'ny lasa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal