Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Ny Fanahy Masina

Daty
Alarobia 11 December 2024

Tsy mibahan-toerana loatra ao amin'ny Filazantsaran'i Jaona, tahaka ny Ray sy ny Zanaka, ny firesahana momba ny Fanahy Masina. Zava-dehibe ho an'ny fahombiazan'ny asan'i Jesôsy anefa ny anjara asan'ny Fanahy Masina.

Vakio ny Jao. 1:10-13, Inona no ampianarin'io toko sy andininy io antsika momba ny lanjan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiovam-po?

Hitantsika ao amin'ny toko voalohan'ny filazantsaran'i Jaona ny mahazava- dehibe ny anjara asan'ny Fanahy Masina. Ambaran'i Jaona amintsika fa izay rehetra nandray ny Teny, izany hoe nino Azy, dia tonga zanak'Andriamanitra, dia "ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak Andriamanitra." Jao. 1:13. Ny asan'ny Fanahy Masina irery no mahatanteraka izany.

Inona no ambaran'ireto andalan-teny manaraka ireto momba ny asan'ny Fanahy Masina? Jao. 3:5-8; Jao. 6:63; Jao. 14:26; Jao. 15:26; Jao. 16:7-11.

"Raha nilazalaza tamin'ny mpaminany ny asan'ny Fanahy Masina i Jesôsy, dia niezaka Izy hampiseho aminy ny fifaliana sy ny fanantenana izay nameno ny fony. Naharavoravo Azy ny fanampiana be dia be efa nomaniny ho an'ny fiangonany. Ny Fanahy Masina no ambony indrindra amin'ny fanomezana rehetra azony nangatahina tamin'ny Rainy ho fanandratana ny vahoakany. Homena ny Fanahiny Masina hiasa ho famelombelomana, ary raha tsy Izy dia tsy hisy vokany ny sorona nataon'i Kristy. Efa nitombo hery nandritra ny taonjato maro ny herin'ny ratsy, ary nahagaga ny fileferan'ny olona tamin'ny famaboana nataon'i Satana. Tsy azo toherina sy resena ny fahotana raha tsy amin'ny alalan'ny fiasa- maherin'llay persona fahatelo amin'ny firaisan'Andriamanitra, Izay tsy ovana ny heriny raha ho avy Izy, fa amin'ny fahafenoan'ny herin'Andriamanitra no hiaviany." - IFM, t. 560, ed. 2023.

Araka izany, dia fitahiana lehibe ny fandraisana ny Fanahy Masina, Izy izay manamafy fa marina Andriamanitra (Jao. 3:33). Ny Fanahy no mandresy lahatra ny amin'ny fahotana, ny amin'ny fahamarinana, ary ny amin'ny fitsarana (Jao. 16:8-11). Ny tsiambaratelo hahalalantsika ny tokony hatao, ny marina, ny tsara, dia ny fampileferantsika ny fisainantsika sy ny fanandramam-piainantsika amin'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina izay mandresy lahatra antsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal