Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - " Vita "

Daty
Talata 17 December 2024

Araka ny hita ao amin'ny Jao. 19:17-22 dia nanisy soratra tamin'ny teny latinina, grika, sy hebreo teo amin'ny hazo fijaliana i Pilato nanao hoe: "JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN'NY JIOSY" Jao. 19:19. Naniry hanova ilay soratra ireo mpitondra fivavahana, kanefa tsy nety nanao izany i Pilato. Koa nitoetra izany soratra izany, ho vavolombelona mangina nanambara ny fahamarinana momba an'i Jesôsy , ary marika fa teo amin'ny hazo fijaliana tokoa no nametrahana an'i Jesôsy ho eo amin'ny seza fiandrianany, amin'ny maha-Mpanjaka Azy.Indro  i Jesôsy, ilay tena Mpanjakany marina, Ilay Mpanjakan'ny Jiosy, nihantona teo amin'ny hazo fijaliana toy ny olo-meloka.

"Nisy hery ambony noho ny an'i Pilato na ny an'ny Jiosy nitarika ny fametrahana ny soratra teo ambonin'ny lohan'i Jesôsy. Tamin'izany fomba izany, ny fitondran’Andriamanitra dia natao hamohafoha ny fisainana ka hanosika azy hamakafaka ny Soratra Masina." - IFM, t. 621, (ed. 2023).

Vakio ny Jao. 19:25-27. Inona ny zava-mitranga eto, izay mampihetsi-po tokoa teo amin'ny hazo fijaliana?

Anisan'ireo nijoro teo am-pototry ny hazo fijaliana tamin'io fotoana io i Jaona, ilay mpianatra malala, sy i Maria renin'i Jesôsy, ary ny hafa koa. Taona maro talohan'io no efa nilazan'i Simeona io fanandramana mangidy io, rehefa nentin'i Josefa sy i Maria tao an-tempoly i Jesôsy mba hatolotra ho an'ny Tompo (ampitahao amin'ny Lio. 2:34). Efa ho faty izao i Jesôsy no miteny amin'ny reniny hoe: "Ravehivavy, indro ny zanakao!" ary amin'i Jaona hoe: "Indro ny reninao!" - Jao. 19:26,27.

Vakio ny Jao. 19:28-30. Inona ny hevitr'ilay tenin'i Jesôsy teo am-pialana aina hoe: "Vita"?

Ilay matoanteny grika hoe teleő (mamita, manatanteraka, manatontosa), izay ampiasaina ao amin'ny and. 28 ihany ("efa vita ny zavatra rehetra") no ampiasaina koa ao amin'ny andininy 30 ("Vita"). Ankoatra izany dia misy teny anankiray mifandray aminy koa, teleioō (mamita, mandavorary), hita miverina ao amin'ny and. 28, hilazana ny fahatanterahan'ny Soratra Masina ("mba hahatanteraka ny Soratra Masina"). Na mampivarahontsana aza ny toe-javatra teto, dia vita ny zavatra rehetra, tontosa, tanteraka.

Rehefa niteny i Jesôsy hoe: "Vita" dia nahavita, nahatanteraka ny asa nanirahan'ny Ray Azy Izy.

Rehefa niteny i Jesôsy hoe "Vita", midika inona ho an'ny tsirairay avy amintsika izany? Inona no vita, ary ahoana no fisehon'izany eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal