HOAVY MAMPANAHY
lo famaranana be voninahitra ao amin'ny Jos. 21:43-45 io dia manambara fahafenoan'ny fepetry ny fankatoavana. Tsy azo fotsiny amin'izao ny fahombiazana; mifamatotra mandrakariva amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra izany. Koa na marina aza fa noho ny fahatokian Andriamanitra tamin'ny Isiraely no nahazoany ny tany (Neh. 9:8). dia tsy voafetra ny mety ho fivoaran'ny toe-javatra amin'ny hoavy, arakaraka ny fitondran-tenan'ny Isiraely. Ho vitan'ny Isiraely ve ny hiaro izay efa azony?
Vakio ny Jos. 23:1-5. Inona avy ireo teboka ifantohan'ny fampidirana nataon'i Josoa?
Milaza ny amin'ny maha-zokiolona sy efa mandroso fahanterana azy i Josoa (nasongadina indroa) ao amin'ny lahateniny, ary ireo mpihaino azy izay tsy maintsy hanohy ny asa nanirahan'Andriamanitra azy no iresahany. Hazavainy ny fomba nahazoan'izy ireo ny tany: Jehôvah no niady ho azy ireo. Na voatery nirotsaka an'ady aza ny Isiraelita taorian'ny nialany tao Egypta satria tsy nahatoky sy tsy nanam-pinoana dia tsy noho ny tanjany ara-tafika no nahazoany ny tany, fa noho ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra.
Nomen'Andriamanitra fitsaharana tamin'ny fahavalony ny Isiraely, saingy mbola misy firenena sasany tsy maintsy horoahina. Tsy zavatra efa vita ka zava-misy tsy azo ovana intsony tsy akory ny fandresena ho an'ny Isiraely, fa miankina mandrakariva amin'ny fianteherany tsy tapaka amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fanampiany efa vonona.
Inona no mampitovy ny fomba nahazoan'ny Isiraelita ny tany Kanana teo ambany fitarihan'i Josoa sy ny fomba ahafahan'ny Kristianina ankehitriny manana fiainana ara-panahy feno fandresena? Vakio ny Jos. 23:10; Kol. 2:15; 2 Kor. 10:3-5; Efes. 6:11-18.
Tsy azo lazaina ho avy amin'ny tanjaka sy ny paikadin'ny Isiraelita ny fandreseny. Toy izany koa ny fandresena ny fahotana sy ny fakam-panahy; ny sorona nataon'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no efa nahazoantsika izany, saingy tsy maintsy miantehitra tsy tapaka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, mba hananany fiainana feno fandresena.
Raha maro toy izany ireo teny fikasana omena antsika, nahoana no mbola toa mora foana amintsika ny manota?