Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra

Daty
Alakamisy 18 December 2025

MIFIKIRA AMIN'ANDRIAMANITRA

Ny hany fomba tsy hahalatsaka ny Isiraely amin'ny fakam-panahin'ny fanompoan-tsampy sy ahafahany miala ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy ny mitadidy mandrakariva ireo "aza..." ao amin'ny fanekena tsy akory, fa ny fampitomboana ny fanoloran-tena marina sy ny fahatokiana amin'i Jehôvah . Ilay matoanteny nadika hoe "mifikitra, na misarangotra" amin'i Jehovah (jereo ny Deo. 4:4), no ampiasaina koa hilazana ny fanekem-panambadiana eo amin'ny lahy sy vavy (Gen. 2:24), na ny tsy nialan'i Rota tamin'i Naomy (Rota 1:14). Zava-dehibe ny manamarika fa araka ny fijerin'i Josoa dia io fifikirana na fahatokiana io no nampiavaka ny firenen'ny Isiraely hatramin'"izao anio izao". Indrisy anefa fa tsy ho marina izany filazana izany raha ny tantaran'ny Isiraely taty aoriana no dinihina, araka ny toe-javatra mampalahelo hita ao amin'ny bokin'ny Mpitsara (Mpits. 2:2,7,11; Mpits. 3:7,12; Mpits. 4:1, sns.)

Nandrisika ny Isiraely i Josoa mba ho tia an'i Jehôvah Andriamaniny (Jos. 23:11; ampitahao amin'ny Deo. 6:5). Tsy azo terena ny fitiavana; raha tsy izany dia tsy ho fitiavana intsony ny anarany. Amin'ny lafiny inona aneta no azo atao didy ny fitiavana?

Mba hahafahan'ny Isiraely manohy misitraka ireo fitahian'ny fanekena, dia tsy maintsy mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra izy ireo. Manantitrantitra fatratra ny teny hebreo nadika hoe: "Dia tandremo tsara ny fanahinareo." Ny teny hoe 'ahabah, nadika hoe "tia" dia azo ilazana karazam-pitiavana maro eo amin'ny olombelona, ao anatin'izany ny fifamatoran'ny mpisakaiza, ny firaisana ara-nofo, ny fitiavan'ny reny, ny fifandraisan'ny mpifankatia, ary ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Raha takatsika fa ny fitiavana an'Andriamanitra dia fanoloran-tena sy fanompoana Azy an-tsitrapo, dia azo atao baiko izany, ary tsy manafoana ny tena toetran'ny fitiavana (ampitahao amin'ny Jao. 13:34). Avy amin'ny fifandraisana manokana Aminy no tian'Andriamanitra ankatoavantsika ny didiny; izany no efa faniriany hatramin'izay (Eks. 19:4 ["Hianareo efa nahita ny nampankanesako anareo ho atý amiko"], Deo. 6:5, ampitahao amin'ny Mat. 22:37), dia fifandraisana miorina amin'izay nataony ho antsika noho ny famindrampony sy ny fitiavany lehibe.

Ny didy mba ho tia an'Andriamanitra dia maneho ny toetry ny fitiavan' Andriamanitra, dia fitiavana mifamaly, saingy tsy mitovy amin'ny an'ny olombelona ny fitiavany. Maniry hanana fifandraisana ety dia ety amin'izay rehetra mamaly ny fitiavany Andriamanitra. Efa tian'Andriamanitra rahateo ny olona rehetra, koa ny fitiavantsika azy dia tsy inona fa fihetsika an-tsitrapo asetrintsika ny halehiben'izany fitiavany izany.

"Didy vaovao no omeko anareo", hoy i Jesôsy tamin'ny mpianany. Amin'ny lafiny inona no maha-vaovao sady tranainy io didy io? Vakio ny Jao. 13:34, Jao. 15:17, ary ny 1 Jao. 3:11; ampitahao amin'ny Lev. 19:18.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal