Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah

Daty
Alarobia 17 December 2025

NY FAHATEZERAN'I JEHÔVAH 

Ahoana no tokony hanazavantsika ny filazana momba ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny famaliany ao amin'ny bokin'i Josoa (Jos. 23:15,16) sy ao amin'ireo boky hafa ao amin'ny Soratra Masina? (Jereo koa ny Nom. 11:33; 2 Tant. 36:16; Apôk. 14:10,19; Apôk. 15:1.)

Efa nanandrana ny fahatezeran'i Jehôvah ny Isiraely nandritra ny firenireneny tany an'efitra (Nom. 11:33, Nom. 12:9), sy tao amin'ny Tany Nampanantenaina (Jos. 7:1), ary fantatr'izy ireo tsara ny vokatry ny fihantsiana an'i Jehôvah tamin'ny nanitsakitsahany miharihary ny fanekeny. Ireo andininy ireo no teny henjana indrindra ao amin'ny lahatenin'i Josoa. Mahatahotra ny mandre fa handringana ny Isiraely i Jehôvah, satria io teny io ihany no efa nampiasaina teo aloha nilazana ny famongorana ny Kananita. Tahaka ny maha-azo antoka ny fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'i Jehôvah momba ny hitahiana ny Isiraely, no maha-azo antoka ny fahatanterahan'ireo ozona ao amin'ny fanekena koa (Lev. 26, Deo. 28) raha mivadika ny faneken'i Jehovah ny Isiraelita. Rehefa dinihina ny fandroahana sy ny fandringanana ny Kananita, dia hita indray ao amin'ireo andininy ireo fa i Jehovah no mpitsara farany ny tany rehetra. Miady amin'ny fahotana Izy, na aiza na aiza toerana ahitany azy. Tsy nahamasina na nampahamendrika ny Isiraely ny fandraisany anjara tamin'ny ady masina, tahaka ny tsy nahamasina ireo firenena jentilisa koa, na dia nataon'i Jehôvah fitaovana teo am-pelatanany aza izy ireo tatý aoriana, ho fitsarana ilay firenena voafidy.

Miankina amin'ny safidin'ny Isiraely ny hahatonga ireo fandreseny be voninahitra tamin'ny lasa ho antoky ny hoaviny.

Raha jerena ivelambelany dia toa tsy mifanaraka amin'ny fanantitranterana ny maha-fitiavana an'Andriamanitra (Jao. 3:16; 1 Jao. 4:8) ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahatezeran'Andriamanitra. Kanefa ao amin'ny fandinihana ny fahatezeran'Andriamanitra indrindra no ahitana mazava kokoa ny foto-pampianarana ara-Baiboly momba ny fitiavan'Andriamanitra lehibe. Voalohany, asehon'ny Baiboly ho be fitiavana, mahari-po, manam-paharetana ary vonona hamela heloka Andriamanitra (Eks. 34:6, Mika 7:18). Na izany aza, ao anatin'ny tontolo voaloton'ny fahotana, dia fanehoan'Andriamanitra ny fahamasinany sy ny fahamarinany eo anatrehan'ny fahotana sy ny faharatsiana ny fahatezerany. Tsy fihetseham-po mitroatra, na valifaty, na vokatry ny fahatairana tampoka velively ny fahatezerany. Mampianatra ny TV fa natao ota ho antsika i Kristy (2 Kôr. 5:21), ary tamin'ny alalan'ny fahafatesany no nampihavanany antsika tamin'Andriamanitra (Rôm. 5:10). Tsy voatery hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra izay rehetra mino Azy (Jao. 3:36; Efes. 2:3; 1 Tes. 1:10). Ny foto-kevitra momba ny fahatezeran Andriamanitra dia mampiseho an'Andriamanitra ho Mpitsara marina izao tontolo rehetra izao, sy ho llay Mpiaro ny fahamarinana (Sal. 7:11; Sal. 50:6; 2 Tim. 4:8).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal