Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"

Daty
Alahady 14 December 2025

"TANTERAKA AVOKOA IZANY REHETRA IZANY"

Inona no sary asehon'ny Jos. 21:43-45 momba an'Andriamanitra? Ahoana no ifandraisan’ireo teny ireo amin'ilay Tany Nampanantenaina ara-tantara, kanefa tsy izay ihany, fa amin'ny maha-zava-misy marina ny famonjena antsika koa (2 Tim. 2:11-13)?

Ao amin'ireo andininy ireo no misy ny foto-kevitra faratampon'ny boky sy mamintina ny hevitra teolojika ao aminy. Asongadiny ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe indrindra ao amin'ny boky manontolo: ny fahatokian'i Jehôvah amin'ny fanekeny, Izay mihazona ny teny fikasany sy manatanteraka ny fianianany. Hatreo dia io fizarana fohy io koa no mamintina ny votoatin'ny boky manontolo. Miresaka momba ny fizarana ny tany sy ny nonenan'ny Isiraely teo amin'izany tany izany ny Jos. 21:43 (Jos. 13-21), ary ny Jos. 21:44 kosa dia manondro ny fandreseny ny fahavalo sy ny fahazoany ny tany (Jos. 1-12). Hita ao anatin'izany rehetra izany ny fahatokian'Andriamanitra. Tsy azon'ny Isiraelita hadinoina velively fa tsy ho nandresy ny fahavalony na nahazo ny tany ho lovany izy ireo raha tsy Andriamanitra no nahatoky tamin'ny teny nomeny.

"Nomen'i Jehôvah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany, ary nandova izany izy ireo ka nonina teo. Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehôvah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra. Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." Ny famerimberenana ny teny hoe kol, nadika hoe "rehetra", inenina ao amin'ireo andininy telo ireo (Jos. 21:43-45), dia manamafy indray ny fahamarinana fa fanomezana avy amin'i Jehovah ny tany, ary tsy noho ny hamendrehan'ny Isiraelita no nahazoany izany. Ny Tompo no nianiana "hanome" ny tany ary Izy no "nanolotra" ny fahavalo teo an-tanan'izy ireo.

Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra sy ny fahatokiany irery ihany no antoky ny fahombiazan'ny Isiraelita rehetra. Toy izany koa ny amin'ny famonjena antsika: "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." - Efes. 2:8,9.

Hoy tokoa i Paoly nanamafy ny fahatokian'Andriamanitra: "Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha manda Azy isika, Izy kosa handa antsika; fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo manda ny tenany." -2 Tim. 2:11-13.

Mahatoky Andriamanitra ka mitana ny teny fikasany. Ahoana no anomezan'izany toky antsika fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny fikasany ho amin'ny hoavy? (Jereo ny 1 Kôr. 10:13; 2 Kôr. 1:18-20.)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal