"TANTERAKA AVOKOA IZANY REHETRA IZANY"
Inona no sary asehon'ny Jos. 21:43-45 momba an'Andriamanitra? Ahoana no ifandraisan’ireo teny ireo amin'ilay Tany Nampanantenaina ara-tantara, kanefa tsy izay ihany, fa amin'ny maha-zava-misy marina ny famonjena antsika koa (2 Tim. 2:11-13)?
Ao amin'ireo andininy ireo no misy ny foto-kevitra faratampon'ny boky sy mamintina ny hevitra teolojika ao aminy. Asongadiny ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe indrindra ao amin'ny boky manontolo: ny fahatokian'i Jehôvah amin'ny fanekeny, Izay mihazona ny teny fikasany sy manatanteraka ny fianianany. Hatreo dia io fizarana fohy io koa no mamintina ny votoatin'ny boky manontolo. Miresaka momba ny fizarana ny tany sy ny nonenan'ny Isiraely teo amin'izany tany izany ny Jos. 21:43 (Jos. 13-21), ary ny Jos. 21:44 kosa dia manondro ny fandreseny ny fahavalo sy ny fahazoany ny tany (Jos. 1-12). Hita ao anatin'izany rehetra izany ny fahatokian'Andriamanitra. Tsy azon'ny Isiraelita hadinoina velively fa tsy ho nandresy ny fahavalony na nahazo ny tany ho lovany izy ireo raha tsy Andriamanitra no nahatoky tamin'ny teny nomeny.
"Nomen'i Jehôvah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany, ary nandova izany izy ireo ka nonina teo. Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehôvah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra. Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely, fa tanteraka avokoa izany rehetra izany." Ny famerimberenana ny teny hoe kol, nadika hoe "rehetra", inenina ao amin'ireo andininy telo ireo (Jos. 21:43-45), dia manamafy indray ny fahamarinana fa fanomezana avy amin'i Jehovah ny tany, ary tsy noho ny hamendrehan'ny Isiraelita no nahazoany izany. Ny Tompo no nianiana "hanome" ny tany ary Izy no "nanolotra" ny fahavalo teo an-tanan'izy ireo.
Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra sy ny fahatokiany irery ihany no antoky ny fahombiazan'ny Isiraelita rehetra. Toy izany koa ny amin'ny famonjena antsika: "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." - Efes. 2:8,9.
Hoy tokoa i Paoly nanamafy ny fahatokian'Andriamanitra: "Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha manda Azy isika, Izy kosa handa antsika; fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo manda ny tenany." -2 Tim. 2:11-13.
Mahatoky Andriamanitra ka mitana ny teny fikasany. Ahoana no anomezan'izany toky antsika fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny fikasany ho amin'ny hoavy? (Jereo ny 1 Kôr. 10:13; 2 Kôr. 1:18-20.)