Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina

Daty
Alatsinainy 22 December 2025

AMIN'NY FAHITSIANA SY NY FAHAMARINANA

Inona no nasain'i Josoa nataon'ireo Isiraelita? (Jos. 24:14,15). Midika inona ny hoe manompo an'l Jehôvah amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana?

Ny fiantsoana nataon'i Josoa dia maneho mazava fa tsy maintsy misafidy ny Isiraely na hitoetra ho firenena miavaka sy honina ao amin'ny tany amin'ny alalan'ny fankatoavana ny Mpamorona azy, na hiverina ho tahaka ny iray amin'ireo mponina marobe mpanompo sampy izay tsy manana ny maha-izy azy ary tsy manan-tarnjona sy iraka hotanterahina. Azy ireo ny safidy.

Roa sosona ny antso nataon'i Josoa: ny hananan'ny Isiraely fahatahorana an'i Jehôvah sy ny hanompoan'izy ireo Azy "amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana." Ny fahatahorana an'i Jehovah dia tsy midika ho fangovitana sy fisamboaravoaran'ny fihetsehampo tsy mitsahatra. Tsy izany, fa manondro ny fanajana fatratra sy ny fahatahorana izay teraka avy amin'ny fiaikena ny fahalehibiazan Andriamanitra tsy hay takarina sy ny fahamasinany ary koa ny maha-tsy manam-petra Azy izany, ary koa manondro ny fahakelezantsika sy ny maha-mpanota sy manam-petra antsika. Ny fahatahorana an'Andriamanitra dia fahatsapana mandrakariva ny halehiben ireo fitakiany, fiaikena fa tsy Raintsika any an-danitra fotsiny Izy fa Andriamanitra Mpanjaka koa. Ny fahatsapana tahaka izany no hitarika ho amin'ny fiainam-pankatoavana (Lev. 19:14; Lev. 25:17, Deo. 17:19; 2 Mpanj. 17:34). Raha hoenti-milaza ny toetra ao anatiny izay tokony hananan'ny Isiraelita anankiray ny "fahatahorana", dia ny fanompoana kosa no vokatr'izany fahatahorana an'Andriamanitra izany.

Teny hebreo roa no mamaritra ny fanompoana notakina tamin'ny Isiraely: "amin'ny fahitsiana" ary "amin'ny fahamarinana." Ny teny voalohany (tamim) dia ampiasaina indrindra ho mpamari-toetra hoenti-milaza ny fahatanterahan'ny biby izay atao fanatitra. Ny teny faharoa izay manondro ny fanompoan'ny Isiraely dia ny "fahamarinana," na koa ny "fahatokiana" (Heb. 'emet). Hoenti-milaza tsy fiovaovana izany ankapobeny. Hoenti-manondro an'Andriamanitra io teny io, Izy ilay mahatoky tanteraka amin'ny Isiraely.

Azo ianteherana sy mendri-pitokisana ny olona mahatoky. Raha ny marina, dia mangataka amin'ny Isiraely i Josoa mba hanehoan'izy ireo fahatokiana amin' Andriamanitra tahaka ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny vahoakany teo amin'ny tantara hatrizay. Tsy fanarahana ivelambelany ireo Fitakiany fotsiny izany fa fahitsiam-po tsy mizarazara. Tokony ho hita taratra eo amin'ny fiainan'izy ireo ny fankasitrahana an'Andriamanitra noho izay efa nataony ho azy. Raha ny marina, dia tahaka izany koa no tokony hifandraisantsika amin'izao andro izao amin'i Jesôsy.

Midika inona ho anao ny hoe manompo an'i Jehôvah "amin'ny fahitsiana" sy amin'ny "fahamarinana"? Inona avy ny zavatra mety hanembantsembana eo amin'ny flainanao ka misakana ny fanoloran-tenanao amin'ny fahafenoana ho an'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal