Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 21 December 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 21; Jao. 11:9,10; Jao. 8:42-44; Jao. 4:46-54; 2 Tim. 3:16; Jao. 15:1-11.

Tsianjery:

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39

Fihaonana tany Galilia no mamarana ny filazantsaran'i Jaona, tahaka ny an'i Marka. Miresaka momba io fihaonana io ity lesona farany ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ity saingy mampifandray izany amin'ny lohahevitra momba ny fahalalantsika an'i Jesôsy sy ny Tenin'Andriamanitra - lohahevitra izay hita manerana ireo filazantsara efatra izany.

Na dia niaraka tamin'i Jesôsy nandritra ny telo taona mahery aza ireo mpianatra, dia mbola lehibe tokoa ny tsy fahavononan'izy ireo hiatrika ny fanomboana an'i Jesôsy amin'ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany amin'ny maty. Efa imbetsaka anefa no nilazan'i Jesôsy tamin'izy ireo ny hitrangan'izany.

Mampalahelo fa tsy mba nino ny Teny nambaran'i Jesôsy izy ireo. Mety tandindomin-doza hanao toy izany koa isika amin'izao andro izao: mandre na koa mamaky ny Tenin'Andriamanitra, saingy tsy mihaino izany, tsy mitoetra ao amin'izany, ary tsy mankató izany. Izany hoe, tsy ekentsika fa izany no fahazavana tokony hitarika ny fisainantsika sy ny asantsika. Indrisy fa izany no toerana misy ny Kristianina maro, na dia mety tsy fantany aza izany.

Ao amin'ity herinandro farany ianarana ny filazantsaran'i Jaona ity no hijerentsika ny sasany amin'ireo teboka manan-danja ao amin'io filazantsara io, izay hanampy antsika hihoatra lavitra ny fahafantarana ivelambelany fotsiny an'i Jesôsy ho amin'ny fahalalana Azy bebe kokoa sy ny fitoerana etiety kokoa ao Aminy sy ao amin'ny Teniny.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Ny anjara asan’ny hery ivelan’ny olombelona.
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Mifanaraka amin’ny Baiboly.
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Ny fahatongavan’i Jesôsy ho nofo.
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Voa tsara.
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Faminaniana tanteraka.
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- "Andramo ka izahao"
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.
Sun 29 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY -
Mon 30 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY -
Tue 01 Dec 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY -
Wed 02 Dec 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY -
Thu 03 Dec 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY -
Fri 04 Dec 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY -
Sat 05 Dec 2026
Lesona 11 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (93)
  • November 2026 (36)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal