Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 21 December 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 21; Jao. 11:9,10; Jao. 8:42-44; Jao. 4:46-54; 2 Tim. 3:16; Jao. 15:1-11.

Tsianjery:

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39

Fihaonana tany Galilia no mamarana ny filazantsaran'i Jaona, tahaka ny an'i Marka. Miresaka momba io fihaonana io ity lesona farany ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ity saingy mampifandray izany amin'ny lohahevitra momba ny fahalalantsika an'i Jesôsy sy ny Tenin'Andriamanitra - lohahevitra izay hita manerana ireo filazantsara efatra izany.

Na dia niaraka tamin'i Jesôsy nandritra ny telo taona mahery aza ireo mpianatra, dia mbola lehibe tokoa ny tsy fahavononan'izy ireo hiatrika ny fanomboana an'i Jesôsy amin'ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany amin'ny maty. Efa imbetsaka anefa no nilazan'i Jesôsy tamin'izy ireo ny hitrangan'izany.

Mampalahelo fa tsy mba nino ny Teny nambaran'i Jesôsy izy ireo. Mety tandindomin-doza hanao toy izany koa isika amin'izao andro izao: mandre na koa mamaky ny Tenin'Andriamanitra, saingy tsy mihaino izany, tsy mitoetra ao amin'izany, ary tsy mankató izany. Izany hoe, tsy ekentsika fa izany no fahazavana tokony hitarika ny fisainantsika sy ny asantsika. Indrisy fa izany no toerana misy ny Kristianina maro, na dia mety tsy fantany aza izany.

Ao amin'ity herinandro farany ianarana ny filazantsaran'i Jaona ity no hijerentsika ny sasany amin'ireo teboka manan-danja ao amin'io filazantsara io, izay hanampy antsika hihoatra lavitra ny fahafantarana ivelambelany fotsiny an'i Jesôsy ho amin'ny fahalalana Azy bebe kokoa sy ny fitoerana etiety kokoa ao Aminy sy ao amin'ny Teniny.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal