Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 21 December 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 21; Jao. 11:9,10; Jao. 8:42-44; Jao. 4:46-54; 2 Tim. 3:16; Jao. 15:1-11.

Tsianjery:

"Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." - Jao. 5:39

Fihaonana tany Galilia no mamarana ny filazantsaran'i Jaona, tahaka ny an'i Marka. Miresaka momba io fihaonana io ity lesona farany ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ity saingy mampifandray izany amin'ny lohahevitra momba ny fahalalantsika an'i Jesôsy sy ny Tenin'Andriamanitra - lohahevitra izay hita manerana ireo filazantsara efatra izany.

Na dia niaraka tamin'i Jesôsy nandritra ny telo taona mahery aza ireo mpianatra, dia mbola lehibe tokoa ny tsy fahavononan'izy ireo hiatrika ny fanomboana an'i Jesôsy amin'ny hazo fijaliana sy ny fitsanganany amin'ny maty. Efa imbetsaka anefa no nilazan'i Jesôsy tamin'izy ireo ny hitrangan'izany.

Mampalahelo fa tsy mba nino ny Teny nambaran'i Jesôsy izy ireo. Mety tandindomin-doza hanao toy izany koa isika amin'izao andro izao: mandre na koa mamaky ny Tenin'Andriamanitra, saingy tsy mihaino izany, tsy mitoetra ao amin'izany, ary tsy mankató izany. Izany hoe, tsy ekentsika fa izany no fahazavana tokony hitarika ny fisainantsika sy ny asantsika. Indrisy fa izany no toerana misy ny Kristianina maro, na dia mety tsy fantany aza izany.

Ao amin'ity herinandro farany ianarana ny filazantsaran'i Jaona ity no hijerentsika ny sasany amin'ireo teboka manan-danja ao amin'io filazantsara io, izay hanampy antsika hihoatra lavitra ny fahafantarana ivelambelany fotsiny an'i Jesôsy ho amin'ny fahalalana Azy bebe kokoa sy ny fitoerana etiety kokoa ao Aminy sy ao amin'ny Teniny.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal