Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Ilay vehivavy janga vadin’i Hosea.

Daty
Talata 15 April 2025

Azo heverina fa izay nasain'Andriamanitra nataon'i Hosea mpaminany no iraka hafahafa indrindra nampanaoviny ny mpanompony: ny hampakatra vehivavy janga ho vady! Nampiasa an'i Hosea anefa Izy mba hanampy antsika hahatakatra, araka ny Formba fijeriny, ny alahelo vokatry ny fahotan'ny olombelona sy ny fikomian'izy ireo. Tamim-pitiavana no nifidianan’Andriamanitra vady (ny zanak'Isiraely) izay nijangajanga Taminy. Nahagaga anefa fa nampody azy Andriamanitra ary nanarina azy indray.

Ampitahao ny Hos. 1:2; Hos. 3:1; Apôk. 17:1,2 ary ny Apôk . 18:1-4. Inona ny fijangajangana resahina eto? Inona ny lesona azon'ny fiangonana kristianina sintonina avy amin'ny tantaran'i Hôsea? Fomba ahoana no amerimberenan'ny fiangonana ireo fahotana tao amin'ny Testamenta Taloha?

Asehon'ny Baiboly fa hamerina ireo fahadisoana ankapobeny nataon'ny Isiraely tao amin'ny Testamenta Taloha ny fiangonan'i Kristy ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nandeha tamin'ny lalan-diso ilay vahoaka nanaovan'Andriamanitra fanekena, talohan'ny nanaovana sesitany azy ireo; nentiny ho ao amin'ilay firenena nanao fanekena tamin'Andriamanitra ny fomba fanao feno fanompoan-tsampin'ireo firenena nanodidina azy. Tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra dia nahatsapa ny tombontsoa mety ho azony ny fiangonana kristianina ka nila sitraka tamin'i Constantin amperoran'i Rôma, ary nanasa io amperora io mba handray anjara amin'ny fandaminana ireo fifandonana teo anivon'ny fiangonana. Tao anatin’izany toe-javatra tsirairay izany, dia niala lavitra ny fifandraisana tamin'Andriamanitra ny vahoakany mba hitady "vahaolana" manoloana ireo olana nitranga.

Maneho miharihary ny fiezahan'Andriamanitra hampiseho amintsika ny fahadisoantsika sy ny fihetsehampony manoloana izany ny teny nofidiny hampiasaina. Ireo izay efa niharan'ny famitahan'ny vadiny no mety hahatakatra ny alahelo lalina tsapan'i Kristy tany an-dapan'ny lanitra noho ny tsy fahatokiantsika taminy. Azo heverina fa ny haben'ny ezaka nataon'i Hôsea mba hanavotana indray ilay vadiny nania no ampahany mahatalanjona indrindra teo amin'ny tantaran'ity mpaminany ity.

Rehefa mijery ny antso farany atao amin'ny taranak'olombelona isika, ny antso izay atao amin'ny vahoakan'Andriamanitra mba hiala ao BabilôIina, dia tsara ny manamarika fa ny olony no antsoiny fa tsy vahoaka hafa tsy akory. Fantany tsara tokoa izy ireo, ary tiany. Raha mandroso mankamin'ny fotoana ratsy indrindra izao tontolo izao, dia mbola manolotra ny fanavotana izay naloany mba hividianana antsika indray tamin'ny Rany Andriamanitra. Ny hazo fijalian'i Kristy no tokony haneho amintsika, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny faniriana lalina ao anatin'ny fon'Andriamanitra hamonjy ny vahoakany izay mania.

Amin'ny fomba ahoana no mety hidiran'ny fiangonana amin'ny fijangajangana ara-panahy, eny fa na ny fiangonantsika aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal