Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.

Daty
Alarobia 22 July 2026

Vakio ny 1 Tes. 4:1-8. Inona no ambaran'ireo andalan-teny ireo momba ny fifandraisa n'ny fanamasinana sy ny fifadiana ny fijangajangana?

Na dia olon-kafa aza no nanoratan'i Paoly ireo andalan-teny eo ambony ireo, dia azo ampiharina ho an'ny Kristianina rehetra ny fitsipika voalazany ao.

Eo anatrehan'izany, dia mbola mametra-panontaniana ihany isika hoe: inona no nitranga tany Korinto? Nahoana no nisy ireo olana rehetra ireo?

Nisy tamin'ireo olona tany Korinto no nino fa noho ny fanafahan'ny filazantsara azy ireo, dia azony atao ny zavatra rehetra. Toy izão ny tohan-kevitr'izy ireo tamin'izany: tahaka ny nanaovana ny kibo ho an'ny hanina, dia natao ho an'ny firaisana ara-nofo koa ny tena ary ny firaisana ara-nofo ho an'ny tena (1 Kor. 6:13). Namaly izany i Paoly ka nilaza fa tsoa-kevitra diso mikasika ny fahafahana ananan'ny Kristianina izany. Ny tsy fahitsiana eo amin'ny lafiny firaisana ara-nofo dia tsy mifanaraka amin'ny maha-kristianina, ary fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fahafahana nomena ny olona tamin'ny alalan'ny filazantsara izany (Rôm. 8:2; Gal. 5:13). Nafahana tamin'ny fahotana isika, fa tsy "nafahana" mba hanota (Rôm. 8:2; Rôm. 6:18, 22). Raha Raha ny marina, "ny tena (...) ho an'ny Tompo, ary ny Tompo ho an'ny tena"- 1 Kor. 6:13. An'i Kristy isika (1 Kor. 6:15), ary ny maha-isika antsika dia tsy maintsy miantraika amin'izay ataontsika. Mifamatotra ary tsy azo sarahina ireo roa ireo. Aseho ao amin'ny 1 Kor. 6 amin'ny fomba 3 samy hafa izany.

1 Voalohany, voalaza fa isika dia voasasa, nohamasinina ary nohamarinina "tamin'ny anaran'i Jesôsy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. Kor. 6:11. Tsy manana toerana ao amin'ny fiainan'ireo izay voasasa sy nohamasinina ary nohamarinina ireo fahotana voatanisa ao amin'ny 1 Kor. 6:9, 10, tahaka izany koa ny fijangajangana izay melohin'ny 1 Kor. 6:12-20.

Faharoa, momba ny tenan'i Kristy isika (1 Kor. 6:15). Midika izany fa tsy maintsy miray amin'i Kristy isika (1 Kor. 6:17). Ny fijangajangana dia fanitsakitsahana izany firaisana izany (1 Kor. 6:13, 15). Na iza na iza manao firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana dia tonga "tena iray amin'izany olona izany izy (1 Kor. 6:16). Ny firaisana amin'i Kristy amin'ny alalan'ny Fanahy no tokony hamaritra ny fomba itondran'ny Kristianina ny tenany mahakasika ny firaisana ara-nofo.

Fahatelo, ny tenantsika dia "tempolin'ny Fanahy Masina"- 1 Kor. 6:19, 20. Ny hany fomba hananana fiainam-pahamasinana sy fahitsiana eo amin'ny lafiny firaisana ara-nofo dia ny fananana fifandraisana ety amin'i Kristy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Any amin'ny boky hafa dia miresaka momba ny maha-tempolin'ny Fanahy antsika i Paoly, ambarany amin'izany ny tokony hanolorantsika ny tenantsika ho "fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra."- Rôm. 12:1.

Eritrereto ny fahasimbana sy ny loza ateraky ny fahotana mifandraika amin'ny firaisana ara-nofo eo amin'ny zanak'olombelona. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny tsy tokony hanamaivamaivanan'ny Kristianina izany toe-javatra Izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal