Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA- Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 25 October 2024

Vakio ny IFM, toko 17: "Nikodemosy".

"Nandinika ny Soratra Masina tamin'ny fomba vaovao" i Nikodemosy, "tsy hoenti-mifamaly momba ny hevitra iray, fa mba handraisana fiainana ho an'ny fanahy. Nanomboka nahita ny fanjakan'ny lanitra izy raha nampilefitra ny tenany hotarihin'ny Fanahy Masina. (...)

"Amin'ny alalan'ny finoana no andraisantsika ny fahasoavan'Andriamanitra: tsy ny finoana anefa no Mpamonjy antsika. Tsy mahazo na inona na inona izany. Tanana izay hamikirantsika an'i Kristy izany, ka handraisantsika ho an'ny tenantsika ny fahamendrehany, ho fanafodin'ny fahotana. (...) Avy amin'i Kristy tahaka ny maha-avy Aminy ny marina, ny famelan-keloka sy ny fibebahana.

"Ahoana ary no hahavoavonjy antsika? 'Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra', no nanandratana koa ny Zanak'olona, ary izay rehetra voafitaka sy voakaikitry ny menarana, ka afaka mijery dia ho velona. 'Indro ny Zanak'ondrin‘Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao.'- Jao. 1:29. Ny fahazavana mamirapiratra avy amin'ny hazo fijaliana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra. Ny fitiavany no mitaona antsika ho eo Aminy. Raha tsy manohitra io fitaomana io isika dia ho voatarika eo am-pototry ny hazo fijaliana, hibebaka noho ireo fahotana izay nanombo ny Mpamonjy teo amin'ny hazo dia mahatonga fijaliana. Amin'izay, aina vaovao ao amin'ny fanahy ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana. Voababo hankato ny sitrapon'i Kristy ny fisainana sy ny faniriana. Voaforona indray ny fo, ny saina ho araka ny endrik'llay miasa ao anatintsika mba hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Amin’ izay dia voasoratra ao an-tsaina sy ao am-po ny lalàn'Andriamanitra, ary azontsika atao ny miteny miaraka amin'i Kristy hoe: 'Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô no sitrako." - Sal. 40:8.-IFM, t. 128,129 (ed. 2023).

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Hanomana ny lalana hidiran'i Jesôsy no nahatongavan'i Jaona mpanao batisa. Manao ahoana ny fahitanao ny asany? Nahomby ve izy, farafahakeliny araka ny fijery maha-olombelona anao? Eo am-pisaintsainanao ny valiny dia apetraho koa ity fanontaniana manan-danja ity: Ahoana no hamaritanao ny atao hoe "fahombiazana" ara-panahy?

2. Taty aoriana dia naneho ny fisalasalana tao am-pony i Jaona mpanao batisa (Mat. 11:2,3; Lio. 7:19). Inona no nahatonga azy hametraka ireo fanontaniana ireo, ary inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany ny amin'ny fomba hanamafisana ny finoantsika?

3. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny hoe: ahoana no mahatonga ny olona tahaka an'i Nikodemôsy, izay mpitarika ao amin'ny fiangonana, olona izay azo antoka fa manam-pahalalana be tokoa, ho tsy ampy fahalalana momba izay zavatra tena manan-danja ara-panahy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal