Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Ny fanambaran’ i Jaona mpanao batisa

Daty
Alahady 20 October 2024

Araka ny nohazavain'ny lesona tamin'ny herinandro lasa dia manomboka amin'i Jesôsy Kristy ilay Teny, sy ny fisiany mandrakizay talohan'ny Famoronana, ny filazantsaran'i Jaona. Kanefa hita ao amin'io fampidirana io koa fa vavolombelona manambara an'i Jesôsy i Jaona. Nanantena mesia anankiroa ny Jiosy sasany tamin'ny andron' i Jesôsy: ny iray miendrika mpisorona, ary ny iray miendrika mpanjaka. Mampianatra mazava i Jaona fa tsy nilaza ny tenany ho ny anankiray amin'ireo mesia ireo i Jaona mpanao batisa, fa izy kosa manambara Ilay tena Mesia.

Vakio ny Jao. 1:19-23. Ahoana no anazavan' i Jaona ny asany sy ny iraka nampanaovina azy?

Naniraka mpisorona sy Levita ireo mpitondra fivavahana mba hanontany an'i Jaona hoe iza moa izy. Noho ny fiheveran-diso nanjaka tao Jodia momba ny mesia dia zava-dehibe ho an'i Jaona ny nanazava tsara ny momba azy teo anatrehan'ireo fiheverana ireo. Tsy izy no llay Mazava, fa nirahin'Andriamanitra ho vavolombelona hanambara ny Mazava kosa izy, sy hanomana ny olona ho amin'ny fiavian'ny Mesia (Jao. 1:6-8). Izany no antony namaliany azy ireo mazava araka izay azony natao hoe: "Tsy izaho no Kristy." - Jao. 1:20.

Ary izao koa, nanao batisa tamin'ny rano i Jaona, fa i Kristy kosa amin'ny Fanahy Masina (Jao. 1:26,33). Tsy mendrika hamaha ny fehin-kapan'i Jesôsy aza i Jaona (Jao. 1:27). Manan-tombo i Kristy raha mitaha amin'i Jaona satria Izy no efa talohan'i Jaona (Jao. 1:30). Zanak'Andriamanitra i Jesôsy , ary nanondro Azy fotsiny i Jaona (Jao. 1:34).

Vakio ny Isa. 40:1-5 sy ny Jao. 1:23. Ahoana no nampiasan' i Jaona ireo andininy ireo?

Tamin'izany andro izany dia feno lavadavaka sy vatovatoina ny lalana, koa mazána no nisy mpanompo nirahina hialoha ny mpanjaka mba handravona ny mikitoantoana sy hanamboatra ny lalan'ny mpanjaka hahitsy tsara. Toy izany no nahatongavan'i Jaona, izay nahatanteraka ny faminaniana, mba hanomana ny fon'ny olona handraisana an'i Jesôsy.

Amin'ny fomba ahoana no tokony hiasantsika, amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, tahaka an'i Jaona mpanao batisa koa? Inona no mampitovy antsika aminy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal