Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 22 January 2026

Andalan-teny iray fanta-daza ao amin'ny Baiboly ny 1 K6r. 8:2: "Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantasy akory izy." Tsy misy lohahevitra iray izay fantatsika ny momba azy rehetra. Azontsika atao mandrakariva ny mahazo fahalalana bebe kokoa mikasika ny zavatra rehetra. Manao ahoana moa no mampitombina izany bebe kokoa raha momba ny fahamarinana mandrakizay mifandraika amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo? Matetika i Paoly no miresaka momba ny fietrena mahagaga nasehonli Kristy tamin'ny nahatongavany ho olona. Na ny mandrakizay aza dia tsy ampy mba handalinana momba izany lohahevitra izany.

Vakio ny Rom. 8:3; Heb. 2:14-18 ary ny Heb. 4:15. Inona no nanamarika ny fietren'i Jesosy sy ny nandraisany ny toetry ny olombelona?

Ahoana no nahatongavan'ilay Zanak'Andriamanitra mandrakizay ho olona sady Andriamanitra tao an-kibon'i Maria, tamin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina (jereo ny Lio. 1:35)? Tsy takatry ny saina ny nahatongavan'llay tsy manam-petra sy mandrakizay ho olona mety maty. (zany no ivon'izay antsoin'i Paoly hoe: "zava-rniafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriarnanitra." - 1 Tim. 3:16.

Ao amin'ny hira fiderana kanton'ny Fil. 2 no amelabelaran'i Paoly izany fietren'Andriamanitra izany amin'ny fomba feno kokoa raha oharina amin'ireo boky hafa ao amin'ny Soratra Masina.  
   • "Nanana ny endrik'Andriamanitra" - Fil. 2:6. Ny teny hoe morphe (endrika) dia maneho ny toetran'Andriamanitra izay itovian'i Jesosy amin'ny Ray (ampitahao amin'ny Jao. 1:1). • "Nofoanany ny tenany" - Fil. 2:7. Mahatalanjona tokoa ny toetra feno zava-miafina nananan'i Jesosy tamin'ny nanafoanany ny tenany ka namoizany ny zo maha Andriamanitra Azy, mba hahatonga Azy ho tena olombelona sy halaim-panahy tahaka antsika. 
   • "Nanetry tena" - RI. 2:8. Rehefa nitafy ny toetry ny olombelona i Jesosy dia niala avy tamin'ny fahamboniana manerana izao rehetra izao ka naka ny toeran'ny mpanompo; nifanohitra tanteraka tamin'izany ny tanjon'i Losifera. 
   • "Fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana'' - Fil. 2:8. Tsy misy fomba manala baraka mihoatra noho izay nofidin'i Jesôsy hahafaty Azy. Nanomana izany niaraka tamin'ny Ray Izy tao anatininy "fisainam-pihavanana" (Zak. 6:13), naneho izany mialoha tamin'ny alalan'ny fanandratan'i Mosesy ny menarana (Nom. 21:9; Jao. 3:14) ary tonga "ota hamonjy antsika (...) mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21.  

Mety hahatonga antsika ary tokony hahatonga antsika hanetry tena sy hilefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra kokoa ny fifantohana amin'izay nataon'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (43)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal