Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 25 July 2025

Vakio "Ny loza tany Egipta", ao amin'ny PM, tt. 250-258 (ed. 2014).

"Navelany hianjadian'ny fahalozan'ny Egiptianina ny vahoaka mba hahitany ny hery mpanimba eo amin'ny fanompoan-tsampy. Nampiseho ny fankahalany ny fanompoan-tsampy sy ny fanandevozana ary ny fahasiahana Andriamanitra, tamin'ny famaizany io mpanjaka io. (...) Tsy avy amin'ny hery tsy fahita mandrakariva na an-tsitrapo no nahatonga io fahamafisam-po io. Nomen'Andriamanitra porofo tsy azo lavina hanehoana ny heriny izy, dia porofo izay nodiany tsy fantatra ny fahamarinany tamin'ny fanakimpiana ny masony tamin'ny fahazavana. Vao mainka nandrisika azy bebe kokoa ho ao amin'ny fikomiana ny fanehoana tsirairay ny hery tsy manam-petra izay nolaviny. Nitondra ny vokany ny voan'ny fikomiana izay nafafiny rehefa rehet nolaviny ny fahagagana voalohany natao teo anatrehany." - PP, t. 268.

"Niankohofan'ireo Egyptianina koa ny masoandro amam-bolana; niantraika tamin'ny vahoaka sy ireo andriamaniny Ilay hery izay nanapatapaka ny fatoran'ireo olona nandevozina. Nahatahotra tokoa izany, nefa io fitsarana io dia porofon'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny tsy fitiavany handringana. Nomeny fotoana hieritreretana sy hibebahana ireo vahoaka ireo mialoha ny handrotsahany aminy ny loza farany sy mampihoron-koditra indrindra." - PP, t. 272.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Saintsaino bebe kokoa ny antony nahatonga an'i Farao nanamafy tanteraka ny fony ka mbola nandà ihany izy na dia teo anatrehan'ny safidy mazava sy mety indrindra aza: ny handefa ny olona. Ahoana no mahatonga ny olona iray hamita-tena tahaka izany? Inona ny fampitandremana tokony horaisintsika avy amin'izany, isika izay mety mafy fo loatra ao anatin'ny fahotana ka mandray fanapahan-kevitra mampidi-doza na dia efa eo anoloantsika mandrakariva aza ny fanapahan-kevitra tsara sy ny lalana tokony hizorantsika? Iza koa no nanao fahadisoana tahaka izao tao amin'ny Baiboly? Eritrereto, ohatra, ny momba an'i Jodasy.

2. Nisy fotoana nilazan'i Farao izao teny izao teo anivon'ny faharavana izay nianjady tamin'ny tany sy ny vahoaka, noho izay nataony: "Efa nanota aho tamin'izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka." - Eks. 9:27. Na dia fiaiken-keloka lehibe aza izany tamin'io fotoana io, ahoana no hamantarana ny tena fiaiken-keloka marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal