Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.

Daty
Alakamisy 24 July 2025

Vakio ny Eks. 9:13--10:29. Nahomby tamin'ny fanovana ny hevitr'l Farao ve Ireo loza ireo?

Nout, ilay andriamani-bavin'ny lanitra sy ny habakabaka no nambaran'ny Egyptianina fa nifehy izay zava-mitranga ety ambanin'ny lanitra sy ambonin'ny tany. Osiris no andriamanitry ny vokatra sy ny famokarana. Ampifandraisina amin'ny fitsaran'Andriamanitra matetika ny havandra ao amin'ny Baiboly (Isa. 28:2,17; Ezek. 13:11-13). Tao anatin'izany loza izany. dia voaro ireo izay nanafina ny fananany tao amin'ny fialofana azo antoka (Eks. 9:20, 21). Voazaha toetra izao ny rehetra: hino ny Tenin'Andriamanitra ve izy ireo ka hanao araka izany sa tsia?

Nambaran Andriamanitra fa ny mba hahalalan'izao rehetra izao Azy no tanjon'ny famelany an'i Farao ho velona (Eks. 9:16). Niaiky ilay mpanjakan'i Egypta fa nanota, saingy niova indray ny heviny taorian'izany.

Nantsoina hoe Seth ny andriamanitra egyptianin'ny tafio-drivotra sy ny ady ary ny fikorontanana. Izy sy Isis no noheverin'ny Egyptianina ho andriamanitry ny fambolena. I Shou no andriamanitry ny rivotra. I Serapis kosa no naneho ny fiandrianan'ny andriarmanitra, ny fahavanonana anaka, ny fanasitranana ary ny fiainana aorian'ny fahafatesana. Tsy nisy na dia iray aza tamin'ireo andriamanitry ny Egyptianina ireo afaka nampitsahatra ny fitsaran'Andriamanitra (Eks. 10:4-20), satria tsinontsinona ny sampy (Isa, 44:9, 10, 12-17).

Nangataka an'i Farao ireo mpanompony mba handefa ny vahoaka Isiraely saingy nolaviny indray izany. Nanao marimaritra iraisana izy saingy nolavin'i Mosesy izany satna ampahany manan-danja sy tsy azo sarahina amin'ny fiankohofana sy ny mpianakavin'ny finoana ny zaza amam-behivavy.

Farany, i Ra no andriamani-dehiben'ny Egyptianina, izy no andriamanitra masoandro. I Thoth kosa no andriamanitry ny volana. Samy tsy nahay nanome hazavana izy ireo. Niezaka niady varotra indray i Farao, saingy tsy nahomby izany. Nanerana an'i Egypta nandritra ny hateloana ny haizina, fa nazava kosa teo amin'izay nitoeran'ny Isiraelita. Fiavahana lehibe sy nanaitra tokoa izany.

Na toy ny ahoana aza anefa ny halehiben'ny loza nihatra tamin'ny fireneny dia nanapa-kevitra i Farao ny hanohitra ary tsy hilefitra. Na dia tsy fantatsika aza ny tana antony nanosika azy tao am-pony, dia nisy fotoana nahitana fa avonavona tsotra izao izany. Na toy ny ahoana ny fiezinezin'ny porofo, na dia niharihary mazava aza ny zava-nitranga (na ireo mpanompony aza nanao hoe: "Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehôvah Andriamaniny, tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?" - Eks. 10:7), ary na dia navelatra teo anoloany aza ny safidy tsara tokony hataony - dia mbola nanda tsy hilefitra eo ambany sitrapon'Andriamanitra ihany i Farao, taorian'ny fihambahambana kely, ka tsy nalefany ny vahoaka.

Ohatra miezinezina tokoa izany, izay maneho izao teny izao: "Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana." - Ohab. 16:18.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal