Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.

Daty
Talata 27 January 2026

Vakio ny Fil. 2:17; 2 Tim. 4:6; Rôm. 12:1,2; ary ny 1 Kor. 11:1. Inona no tian'i Paoly holazaina ao amin'ireo andininy ireo?

Efa nasehon'i Paoly tamin'ny fomba manaitra ny tsy fahatapahan-keviny momba ny fiainany na ny fahafatesany eo am-panompoana an'i Kristy (Fil. 1:20-23). Izao indray izy dia milaza fa tena azony atao tsara ny "haidina ho fanatitra aidina" (Fil. 2:17). lo sary io dia mifototra amin'ny fanaon'ny Isiraely fahiny amin'ny fanaovana fanatitra aidina, izay nampiasana ranoka (toy ny menaka, divay, na rano) ho fanatitra ho an'Andriamanitra (jereo, ohatra, ny Gen. 35:14; Eks. 29:40; 2 Sam. 23:15-17). Ity toa "fandaniam-poana" ranoka sarobidy ao anatin'ny fanompoam-pivavahana ity dia mety hampahatsiahy antsika ny nataon'i Maria tamin'ny nanosorany ny lohan'i Jesôsy sy ny tongony tamin'ny "menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra" (Mar. 14:3-9; Jao. 12:3). Na tsy tena fanatitra aidina aza izany, dia naneho mazava fahafoizan-tena lehibe izay mampiseho tsara ny sorona tsy manam-petra nataon'i Kristy ho famonjena antsika.

Raha hovonoina noho ny fanapariahany ny filazantsara i Paoly, dia faly izy satria ho fanatitra "haidina" ho an'Andriamanitra ny fiainany. Tsy mandeha irery mantsy ny fanatitra aidina ao amin'ny Baiboly hebreo fa miaraka amin'ny sorona (jereo ny Nom. 15:1-10; Nom. 28:1-15), koa heverin'i Paoly fa ny fanolorany ny ainy no mameno ny "fanatitra sy fisoronana" ho an'ireo mpino tany Filipy, izay nifidy ny hanokana ny fiainany ho an'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny finoana, ho toy ny "fanatitra velona". - Rôm. 12:1.

Nazoto nizara ny finoany ireo Kristianina voalohany, anisan'izany ireo tany Filipy (Fil. 1:27-29). Nitety tokantrano izy ireo nitory ny fitazantsara (Asa 5:42). Novohan'izy ireo ny tranony mba hahafahana miara-mandinika ny Soratra Masina (Asa 12:12; 1 Kor. 16:19; K61. 4:15; Filem. 1,2), ary hainy ny nanazava ny anton'ny finoany, ao amin'ny Soratra Masina (Asa 17:11; Asa 18:26; 1 Pet. 3:15). Nanao toy izany koa ireo mpamaky lay advantista. Tsy niantehitra tamin'ny pasitora izy ireo mba hanapariaka ny hafatra amin'ny mpiara-belona aminy, fa nizara ny finoany, nampianatra Baiboly, ary nanomana ny olona ho vonona hatao batisa rehefa miverina ny mpitandrina.

Raha fintinina dia tamin'ny alalan'ny fahafoizan-tena lehibe, izany hoe, ny fanoloran'izy ireo ny tenany ho "fanatitra velona", no niasany sy nampielezany ny filazantsara. Ho latsaka noho izany ve ny tokony hataontsika?

Saintsaino ny hevitr'izany hoe ny fiainanao dia "fanatitra velona." Hatraiza ny fahafoizan-tenanao ho an'ny fanjakan'Andriamanitra? lnona no ambaran'ny valin-teninao momba ny tenanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal