Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 30 January 2026

"Izay mijoro akaiky indrindra an'i Kristy dia izay nisotro be indrindra eto an-tany ny amin'ny toe-tsainy entanin'ny fitiavana manao sorona ny dia fitiavana izay mirehareha, tsy mieboebo, tsy milady ny azy; tsy mora sosotra, tsy manao otri-po– 1 Kôr. 13:4,5, — dia fitiavana izay manetsika ny mpianatra, tahaka ny nanetsehany ny Tompontsika, hanome ny zavatra rehetra, hivelona sy hiasa mafy ary hahafoy tena, eny, na dia hatramin'ny fahafatesana aza, mba hamonjena ny taranak'olombelona. lo toe-tsaina to dia niseho mazava teo amin'ny fiainan'i Paoly. Hoy izy: 'Fa Kristy no anton'ny ahavelomako'; naneho an'i Kristy tamin'ny olona mantsy ny fiainany; 'an/ ny fahafatesana no ahazoako tombony', tombony ho an'i Kristy; ny fahafatesana mihitsy no haneho ny herin'ny fahasoavany, ka hanangona fanahy ho Azy. Hankalazaina 'ao amin'ny tenako Kristy, hoy izy, na ao amin'ny fiainana na ao amin'ny fahafatesana'– Fil. 1:21,20." — IFM, t. 584.

 "Tsy lavitra intsony ny fotoana hahatongavan'ny fitsapana amin'ny fanahy tsirairay. Hasaina horaisintsika ny mariky ny bibidia. Ireo izay nilefitra tsikelikely tamin'ny fitakian'izao tontolo izao sy manaraka ny fanaony dia hahita fa tsy zavatra sarotra aminy ny hilefitra amin'ireo fahefana izay misy, toy izay ny hamela ny tenany hesoina, sy hitenenan-dratsy, sy horahonana, na hogadraina, na hovonoina. (...) 

"Rehefa miavaka amin'ny tena rahalahy ny rahalahy sandoka maro, dia hiseho ireo izay niafina, ka ho eo ambanin'ny fanevan'i Kristy sady hanao hosana. Hiseho ampahibemaso ho mpanara-dia an'i Kristy sy ny fahamarinany ireo izay saro-kenatra sy tsy natoky tena teo. Ho tahaka an'i Davida ny malemy indrindra sy be fisalasalana ao am-piangonana — ho vonona sy sahy. Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra, arakaraka ny hamaizin'ny alina no mainka mampamirapiratra kokoa ny kintana. Hamely mafy ireo olona mahatoky i Satana; nefa, amin'ny anaran'i Jesôsy, dia hanoatra noho ny mpandresy izy ireo." TFC, b. 5, tt. 81,82.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Saintsaino ny fampitandremana voalaza ao amin'ny lahatsoratra etsy ambony momba ireo "izay nilefitra tsikelikely tamin'ny fitakian'izao tontolo izao sy manaraka ny fanaony". lnona avy no resahina ao anatin'izany? Ifanakalozy hevitra ny hoe: mety hitranga amin'ny isam-batan'olona izany kanefa mety hiseho amin'ny fiangonana iray manontolo koa.

2. Hoy Andriamanitra: "izay rnanome voninahitra Ahy no homeko voninahitra" - " I Sam. 2:30. Amin'ny fomba ahoana no anomezantsika voninahitra an'Andriamanitra? Mitovy amin'ilay hoe "omeo voninahitra izy" ao amin'ny Apôk. 14:7 ve izany? Na eny na tsia, nahoana?

3. Ahoana no hahatakarantsika ny hevitry ny hoe miasa hahatanteraka ny famonjena antsika, ka tsy ho latsaka amin'ny fandriky ny fitadiavam-oamonienp amin'ny alalan'ny asa '? (fitandremana ny lalàna.)? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (2)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal