Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.

Daty
Alahady 27 July 2025

Hoy ny mpaminany Amosa: "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony" - Amô. 3:7, ary tamin'ny alalan'i Mosesy mpaminany no nanambaran'Andriamanitra tamin'i Farao izay ho avy manaraka. Nomena fampitandremana mafy i Farao. Fitsarana marina atao amin'ny avonavona, ny fanararaotana, ny herisetra, ary ny fanompoan-tsampy izany, ary ireo rehetra ireo no nahatonga ireo loza ireo tao Egypta.

Vakio ny Eks. 11:1-10. Inona ny fampitandremana nomen'Andriamanitra talohan'ny nampiharany ny fitsarana tao Egypta?

Nomen'Andriamanitra fotoana i Egypta telo andro tao anatin'ny aizina (Eks. 10:23)-mba hisaintsainana momba izay nitranga vao tsy ela, sy ny hevitr'izany. Nomeny fampitandremana mazava farany koa izy ireo, fahafahana farany hanaovany izay tokony hatao.

Saingy voalaza ao amin'ny Eks. 11:8 fa "niala teo amin'i Farao tamin'ny fahatezerana mirehitra Mosesy." Nahoana i Mosesy no niala tamim-pahatezerana? Azo inoana fa satria fantany fa hamely olona tsy manan-tsiny maro ny loza, dia ny loza fahafolo, noho ny hamafin'ny fon'i Farao.

Ankoatra izany, ny isa folo dia manan-danja eo amin'ny tandindona ara-Baiboly. Maneho fahafenoana na fahatanterahana ny isa 10. (Saino ohatra ny Didy Folo, izay fanambarana feno ny lalana ara-pitondrantena avy amin'Andriamanitra.) Ny loza folo tany Egypta dia manondro ny fanehoan'Andriamanitra amin'ny fahafenoany ny fahamarinany sy ny famaliany.

Andriamanitra no Mpitsara, ary manohitra ny avonavona, ny tsy rariny, ny fanavakavahana, ny fireharehana, ny fanararaotana, ny halozana, ary ny fitiavan-tena Izy. Miandany amin'ireo mijaly, iharan'ny herisetra, ampijaliana ary enjehina Izy. Hampanjaka ny rariny Andriamanitra, izay endrika iray tena anehoany ny fitiavany koa. (Jereo ny Sal. 2:12, Sal. 33:5, Sal. 85:11, Sal. 89:14, Sal. 101:1, Isa. 16:5, Jer. 9:24.)

Tokony hanao ny ezaka rehetra koa isika mba ho sady be fitiavana no marina. Saingy mora amintsika ny manao tahafoatra ny amin'ny lafiny iray, ary kely loatra ny amin'ny lafiny iray. Noho ny "fitiavana", ohatra, dia manakimpy ny masontsika eo anatrehan'ny tsy mety isika, dia izay mila ahitsy. Na koa, mampanjaka ny rariny amin'ny fomba feno fangatsiahana isika, toy ny hoe mafy tahaka ny vy izany. Tsy mety ireo fomba roa tafahoatra ireo. Fa izao kosa no tsara indrindra: "(...) efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehôvah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena." - Mika 6:8.

Raha tsy haintsika ny mandanjalanja tsara izany (ary tena tsy haintsika izany), nahoana no aleo manao tafahoatra amin'ny famindram-po toy izay ny rariny? Sa tsy mety koa izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal