Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Ny Paska.

Daty
Alatsinainy 28 July 2025

Vakio ny Eks. 12:1-20. Inona avy ireo toromarika manokana nomen'Andriamanitra an'i Mosesy sy i Arona mialoha ny hialan'ny Isiraely ao Egypta?

Mety manantena isika fa hanome toromarika an'i Mosesy sy i Arona Andriamanitra momba ny fandaminana ny fialana ao Egypta, izany hoe, ny fanomanana izay ilaina amin'ny fandosirana, indrindra ho an'ny zokiolona, ny renim-pianakaviana sy ny zaza madinika, ny biby, sy ny sisa. Mahagaga anefa ny toromarika nomen Andriamanitra: ny fomba hankalazana ny Paska no nambarany tamin'izy ireo. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny amin'ny fiankohofana amin'ny Tompo, izay hamonjy azy ireo, no nasaina nifaritohany. Hanaraka eny ihany ny zavatra hafa rehetra amin'ny fotoany avy.

Tsy maintsy nanomana zanak ondry ny fianakaviana tsirairay, araka izay tokony ho laniny avy, tsy misy very. Ary raha tsy mahalany zanak'ondry iray ny iray trano, dia natao hiara-misakafo amin'ny fianakaviana hafa izy ireo.

Vakio ny Eks. 12:13,14. Inona no hataon'ny Tompo ho azy ireo rehefa tonga ilay loza farany? Maneho inona ara-tm indona izany rehva izany?

Natao hotsarovana isan-taona io fanafahana io, tsy ho fahatsiarovana ny zava-nitranga tamin'ny lasa, izay nataon'Andriamanitra ho an'ny razambeny fotsiny, fa hahatsapan'ny taranaka ankehitriny koa ny fahatanterahan'ny asa fanafahan Andriamanitra azy. Fanandramana vaovao ho an'ny vondrona tsirairay izany.

Manazava ny hevitry ny Paska ny andininy faha-12 sy 13: "handalo" ny Isiraelita ny fitsaran’Andriamanitra, izany hoe ny fandringanana; noho izany. tokony hahatsiaro ny "Paska" izy ireo. Fitambaran'ny teny roa lo teny io (peh'-sakh amin'ny teny hebreo), "mandalo" sy "ambony", satria ny fandringanana "nandalo teo ambonin'ny" tranon'ny Isiraelita, izay nasiana marika tamin'ny ran'ny zanak'ondry ny tolam-baravarana, dia mariky ny fiainana sy ny famonjena.

Natao hampahatsiahy ny Isiraelita tsirairay ny asa mahery sy feno fahasoavana nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany ny fankalazana ny Paska. Nanampy tamin'ny fahafantarany tsara ny maha-izy azy izany, ary nanisy tombokase ny finoany ara-pivavahana.

Nahoana no tena zava-dehibe ny mahatsiaro mandrakariva ny soa nalaon' Andriamanitra taminao tamin'ny lasa, sy ny matoky fa hanisy soa anao koa Izy amin'ny hoavy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal